Ny hazo izay volentsika androany dia ho zary ala hiantoka tontolo vaovao ho an’ireo taranaka fara aman-dimby,
hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay nitarika ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo ho an’ity taona 2020 ity tany Tamponketsa. Ny ala no miantoka ny fisian’ny rano, miantoka ny rivotra madio. Ny ala ihany koa no mitahiry ireo zavaboary maro izay harentsika Malagasy ary manome asa ihany koa. Raha fehezina, antoky ny aina ny ala. Koa tsy maintsy kajiantsika ny ala eto Madagasikara. Sokafantsika androany ny taom-pambolenkazo 2020. 12.000 mahery isika no niaraka namboly zanakazo 1.200.000 tamina velaran-tany 500 ha eto Tampoketsa Ankazobe, hoy izy. Saika manao izany avokoa manerana ny nosy hahatrarana ny tanjona hambolena zanakazo 60 tapitrisa amin’ity taona hankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ity. Hampiasaintsika avokoa ireo fomba moderina toy ny famafazana amin’ny alalan’ny fiaramanidina izay nosantarina teto Firarazana androany. Tsy maintsy rakotra ala i Madagasikara. Hamboly hazo aho, isika ho an'ny taranaka aoriana, hoy ny filoha Rajoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.