Tsy hiadian-kevitra intsony ny maha filoham-pirenena Malagasy an’i Andry Rajoelina.
Ny dingana nahatongavany teo kosa mbola betsaka no azo resahina. Ny azo hamehezana azy dia fandresena niteraka adihevitra sy tsy dia marin-toerana iny fa mety nisy dian-tanana hery lehibe mety ho avy any ivelany. Fifidianana toa efa vita kajy. Tsy mbola lany akory mantsy izy dia efa niomana handray fahefana, ary nipetrapetraka tao ny fiara raitrany. Efa nipetraka tao ihany koa ny fiara mpiady ho an’ny mpitandro ny filaminana. Raha tsy lany teo ve dia ireny no nampiasaina nentina niady nandrombahana ny fahefana ? Nametra-panontaniana momba ny resaka fampidirana fitaovam-piadiana rahateo ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao tamin’izany. “Ahoana ny momba ireny fitaovam-piadiana ireny raha tsy lany ilay kandida?”, hoy izy. Re siosio ihany anefa fa toa nisy fandrahonana nialoha ny fotoana amin’ny fampanekena iny valim-pifidianana iny. Fandresena tsy tena marin-toerana saingy tsy maintsy eken’ny rehetra, na maro aza no tsy nankasitraka. Azo ambara ho tsy misy mpanembantsembana i Andry Rajoelina ho an’ny avy aty ivelany, izany hoe ireo hery politika nifanandrina taminy tamin’ny fifidianana. I Marc Ravalomanana mantsy dia efa niarahaba sy nirary soa ary mbola nanatrika ny fianianana sy nandray tanana ny filoha vaovao. Tahaka izany ihany koa i Hery Rajaonarimampianina. Tsy dia sakana ny ety ivelany, eny na manomboka hetraketrahina aza, fa ny ao anatiny no ho sarotsarotra satria tsy afaka hikofoka firy i Andry Rajoelina. Ny tompon’ny vola na vahiny na teratany no tena ho tompon’ny mafana sy mangatsiaka eto. Nampiasa volabe i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitra saingy azy madiodio avokoa ve ? Heverina fa misy ampahany maro no avy amin’ireo tao an-damosiny. Mila tambiny izany fa tsy vitavita ho azy. Sarotra ny hifehy an’ireo fa arahina amin’ny onjany ka mety hijanona ho saribakoly fotsiny ilay filoha. Anisan’ny nibitaka ny karana sy ny vahiny manjakazaka eto tamin’ny fahalaniany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.