Politique

Andry Rajoelina Ho avy tsy ho ela ?


  • Talata 10 Mey 2016

Milaza hiverina eo amin'ny fitondrana tsy ho ela indray, hono, ny filohan'ny HAT, Andry Rajoelina.

 

 Mahatratra 500 tapitrisa dolara ny fahavoazan'ny orinasa TIKO sy MAGRO nandritra ny 26 Janoary 2009, nandorana sy nandrobana an'Antananarivo. Ny tenany Andry Rajoelina mihitsy no nanome tsodrano ireo andian'olona nihazo an'Anosipatrana, ka niafara tamin’ny fandorana sy fandrobana ny MBS tamin'izany fotoana. An'arivony maro ireo olona very asa taorian'ny "Alatsinainy Mainty" ary maherin'ny 20.000 ireo olona very asa vokatry ny fikatonan'ireo orinasa afaka haba.

Mbola miaina ao anaty fahasahiranana sy fahoriana tanteraka ireny olona very asa tsy fidiny noho ny nataon'ity mpanongam-panjakana ity ireny satria maro tamin'ireo orinasa afaka haba no tsy niverina eto Madagasikara fa nisafidy an'i Afrika. Maro tamin'ireo tranombarotra voaroba ihany koa no tsy afaka nanokatra ny varavarany intsony. Tsy mbola misy fitsarana moa ny raharaha 26 Janoary na dia maherin'ny 500 aza ny isan'ny olona namoy ny ainy ankoatra ny fahavoazana ara-materialy teo amin'ireo orinasa an-jatony. Nisy tamin'ireny mpandraharaha lasibatry ny "Alatsinainy Mainty" ireny no namoy ny ainy, nigadra, nitondra takaitra noho ny olana natrehan'izy ireo tamin'ny banky, ny mpamatsy entana ary ny fatiantoka tsy roa aman-tany.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT