Nazava ny tenin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha nandritra ny fihaonana tamin’ny
mpanao gazety fa tsy maintsy hitarina ny tanànan’Antananarivo satria efa hipoka. Olona 3 hetsy tany am-boalohany no namoronana ireo fotodrafitrasa, kanefa manodidina ny 3 tapitrisa izao ny olombelona mifamoivoy sy miaina eto. Niaiky kosa anefa ny filoham-pirenena fa nisy ny lesoka tamin’ny fanatanterahana ity tetikasa goavana iray ity. Ekena fa mety tsy ampy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon-tanimbary, hoy izy ary izay no nahatonga ny fanoherana. Nahitsy ny tenin’ny filoha Rajoelina fa ho avy eny Ambohitrimanjaka ny tenany ary hiresaka mivantana amin’ireo mponina voakasiky ny mety ho fandravana trano sy fanotofana tanimbary noho ny tetikasa Tanamasoandro. Tsy nisy aloha ny daty mazava fa ny tsapa dia efa nivonona amin’ny zava-drehetra ny filoha. Nanome fanampim-panazavana aza izy fa tsy hijanona eo Ambohitrimanjaka sy ireo kaominina manodidina azy io tetikasa Tanamasoandro fanitarana an’Antananarivo toa an’i Fenoarivo, Imerintsiatosika, Arivonimamo. Manolo-tena izany ny filoham-pirenena fa hiresaka amin’ireo mponina tompona tany na tanimbary tsy maintsy hototofana noho ny tetikasa Tanamasandro. Asa izay tokony ho efa notanterahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy moa fa raha ny tatitry ny filoham-pirenena omaly dia tsy nahavita ny asany io minisitera iray io. Maro tokoa ny teknisianina efa nalefa niresaka tamin’ireo olona tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbariny, natsangana ny birao manokana teny amin’ny « Village Voara » Andohatapenaka saingy tsy mazava tsara aloha ny tarehimarik’ireo nanaiky hivarotra ny taniny hatramin’izao. Ho hita eo izay mety ho tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.