Politique

Andry Rajoelina Hihazo an’i Brickaville ihany


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Ny alatsinainy 20 febroary teo raha ny fantatra ny fandaharam-potoana tokony ho nandalovan’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, tao Brickaville hamangy sy hanatitra fanampiana ireo traboina noho ny rivodoza Giovanna.

 Tsy nisy anefa izany, na efa nanomana ny fandraisana azy tany an-toerana aza ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny Kaominina 17 mandrafitra Distrika, sy niandry ny fanampiana avy amin’ny filohan’ny FAT ireo traboina izay efa mananiky ny 132.000 ankehitriny any an-toerana. Araka ny vaovao farany voaray, tsy fantatra izay fiovana amin’ny ora farany, dia anio alakamisy no ho tonga ao Brickaville ny ekipan’Ambohitsorohitra hamangy sy hanatitra fanampiana ireo traboin’ny Giovanna ireo. Toamasina no hahatongavany izay vao hihazo an’i Brickaville anio maraina, araka ny vaovao fantatra ihany. Hitohy any Vatomandry ny dian’ny filohan’ny FAT raha efa ny sabotsy teo no niandrasana azy tany, saingy naato tamin’ny fotoana farany. Ankoatra izay, mitaraina ireo Kaominina 16 ambiny ankoatra ny Kaominina ambonivohitr’i Brickaville, fa tsy mba mahazo amin’ireo fanampiana omen’ny fanjakana, olon-tsotra, ny malala-tanana samy hafa, ary ireo fikambanana iraisam-pirenena tonga ao Brickaville, ireo izy ireo. “Ohatry ny mba misy traboina ny any aminay”, hoy izy ireo, fa “atangorona eto Brickaville tampon-tanàna eto ihany ireo omena ny fanampiana, nefa efa tsy misy hohanina ireo vahoaka zanaka ambanivolo ankehitriny”, hoy hatrany ireo Ben’ny tanàna niaro ny vahoaka any aminy avy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT