Mazava sahala amin’ny masoandro be lohataona fa misy dian-tanan’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina iny zava-nitranga tamin’ny alarobia 29 martsa lasa teo, teto Antananarivo iny.
Fomba fiadin’ity mpanongam-panjakana ity mantsy ny manao sorona ny olona hidina an-dalambe, mihantsy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra fanjakana mba hisian’ny maratra na maty, tahaka ny nataony tamin’ny 7 feboary 2009 teny Ambohitsorohitra, mba hanosoram-potaka ny fitondrana. Hain’ity mpitondra jadona nandritra ny Tetezamita ity mihitsy ny maka ny toeran’ny «victime» amin’ny raharaha tahaka izao saingy tsy nahomby ny paikady tamin’iny farany iny. Mpanatanteraka baiko fotsiny ihany ny senatera Lylyson ary ireo mpikambana MAPAR tonga teny an-toerana toy ny depiote Lanto Rakotomanga sy Michèle Ratsivalaka.
Mahagaga fa isaky ny eto an-toerana ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina dia toa misy zavatra hafahafa izany hatrany eto amin’ny firenena ka mahatonga ny fanontaniana mipetraka hoe : hanongam-panjakana indray angaha ? Matihanina amin’ity resaka fanonganam-panjakana ity tokoa mantsy ny filohan’ny HAT teo aloha ary mampieritreritra ny maro ny fanambarana nataony nandritra ilay fiarahabana ny taona nataony tetsy Betsizaraina Ambohimangakely ka nilazany fa «ho tanteraka amin’ity taona ity ilay nandrasanareo… !».
Saika latsaka tao anaty vela-pandriky ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina ihany anefa ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana nandritra iny tsiaro ny andron’ny 29 martsa iny. Manao izay fomba rehetra tsy hisian’ny fitoniana hanimbana endrika an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao manodidina ny fivoariamben’ny frankôfônia moa ity filohan’ny HAT teo aloha ity sy ny mpiara-dia aminy, porofon’izany ireny zava-nitranga farany teo ireny.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.