Toerana 151 no hiadiana etsy amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Raha ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4,
dia ny vondrona parlemantera maro an’isa no manolotra ny anaran’ny praiminisitra, raha ny voalazan’ny andininy faha-54. Lojika be raha manao ny faraheriny sy mety manao ny tsy fanao ny fanjakana ankehitriny hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozononina. Taratr’izany ny fampitondrana ny anaran’ny vovonana handrotsahana depiote, izay mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-48 sy faha-49 ao anatin’ny lalàmpanorenana. Marina fa izy ireo izao no eo amin’ny fitondrana, saingy mety ho sarotra ny hahazoany ilay maro an’isa. Mety handiso ny kajikajy ny fisian’ireo kandida mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, izay miisa 500 mahery, raha toa ka 300 mahery kosa ny atolotry ny antoko na vovonana politika. Raha tarafina amin’ny fifidianana depiote tamin’ny taona 2013, dia ny kandida tsy miankina no nahazo ny maro an’isa tamin’io fotoana io. Raha mbola izay no hiseho dia handeha ny fikaotiana ireo depiote, mba hirona any amin’ny fanohanana an-dRajoelina, tahaka ny tamin’ny andron-dRajaonarimampianina. Raha ny zava-misy amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, dia misy toe-javatra maromaro mety hanaratsy endrika sy hampihen-danja ny fitondrana ankehitriny tarihin-dRajoelina, toy ny tsy fanajana ny fifandanjana ara-paritra eo amin’ny firafitry ny governemanta izay nandiso fanantenana ny any amin’ny faritra, tena nampandany azy. Ny tsy fitazonana ny teny nomena tamin’ny fampanantenana maro samihafa tahaka ilay hoe vao tonga eo, dia hiakatra 200 000Ar ny karama farany ambany. Ny endrika tsy fahafehezana ny firenena, toy ny tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, delestazy lavareny,… Mazava ho azy, fa raha tsy mahazo maro an’isa tena azy Rajoelina, dia mety hizotra amin’ny politikan’ny HVM amin’ny alalan’ny fividianana olona, ka hiverina indray ny “malety”. Vao mainka hampalemy ny fitondrana anefa izany, ary hihorohoro sy ho tratry ny sabotazy matetika noho ny mety ho fitsidimbadihan-drasa matetika ao Tsimbazaza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.