Politique

Andry Rajoelina Hanao fanambarana lehibe


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Omaly alahady 11 febroary tamin’ny mitataovovonana no tafaverina indray teto Madagasikara ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato ireo mpikambana Mapar sy mpiara-miasa akaiky aminy notarihan-dry Razanamahasoa Christine, Brunel Razafitsiandraofa ary Pierre Houlder.

 

 Misy ny fotoana nanginana, tonga kosa ny fotoana hitenenana, hoy i Andry Rajoelina tamin’ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety. Raha variana nandrombaka sy nanangona fahefana ny hafa tao anatin’ny efa-taona, dia nikaroka izay hanarenana an’i Madagasikara kosa izahay, hoy izy. Milaza ny hanao fanambarana goavana ho an’ny Malagasy ny alahady 18 febroary izao i Andry Rajoelina, izay nolazainy fa alefa mivantana amin’ny haino aman-jery. Heverin’ireo mpanara-baovao politika fa fotoana hanambarany amin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena io fotoana io raha tsy hoe misy fiovana lehibe tampoka. Efa mazava ny serasera nampiasainy fa fiomanana amin’io fifidianana ho avy io, ny olon’ny Mapar rahateo manomboka efa mifanentana sy mihetsiketsika etsy sy eroa amin’izao fotoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT