Politique

Andry Rajoelina Hanakorontana indray ?


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Mbola mitarika adihevitra eo amin’ireo mpanara-baovao politika ny fiverenana an-tanindrazana tampoka nataoan’i Andry Rajoelina ka nanaovany fety be teny amin’ny tranony vaovao teny Ambohimangakely niaraka tamin’ireo mpomba azy sy ny mpanakanto maro ny sabotsy lasa teo.

  Tsy azo adinoina fa efa filohan’ny tetezamita izy ary mpanao politika manana ny paikadiny ihany koa. Ao anatin’ny vanim-potoana mampisafotofoto ny raharaham-pirenena no mipoitra tampoka ary maneho hevitra i « zandry kely ». Tena nanome lesona mihitsy aza ka tahaka ny hoe izy no mpitondra hendry sy nahavita azy indrindra teto. Ny lasa tsy fanadino fa ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008-2009 no nampahantra fadiranovana ny Malagasy tahaka izao. Resa-be ny ankoatr’izay. Tsy nahazo famatsiam-bola ny fitondrana tetezamita kanefa afaka niaina sy niasa tsara ihany satria ny vola navelan’ny fitondrana Ravalomanana tao amin’ny banky foibe sy ireo orinasam-panjakana ary tetikasa goavana niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka no nampiasaina. Vita anefa ny 5 taona dia izao niaraha-nahita izao fa ritra ny volam-panjakana dia io sahiran-dava io ny fitondrana Rajaonarimampianina. Monina any Frantsa i Andry Rajoelina sy ny fiankaviany, tahaka ny nataon’ny amiraly Ratsiraka rehefa resin-dRavalomanana izy tamin’ny 2001. Mazava izany ny kajy eto fa ampiasain’ny mpanjanatany indray hanakorontana daomy isaky ny mihetsika i Andry Rajoelina, izay mahoraka be fa tena manam-bola matevina dia matevina tokoa ankehitriny. Moa va tsy depiote Mapar mpiara-miasa akaiky aminy ilay tratra nitondra vola 2 baoritra teny Namontana, izay tsy mbola mazava hatramin’izao hoe :vola saika hanaovana inona marina ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT