Politique

Andry Rajoelina Hamono afo any Manakara


  • Talata 27 Martsa 2012

Hafa kely ny fahatsiarovana ny faha-65 taonan’ny «29 martsa 1947» amin’ity taona ity, satria dia any Manakara, ao anatin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, fa tsy any Moramanga tahaka ny mahazatra, no hanatanterahana ny lanonana amin’ny fomba ofisialy.

 Hitarika ny delegasiona avy amin’ny fitondrana tetezamita any an-toerana i Andry Nirina Rajoelina. Hanamarika ny hetsika any an-toerana moa ny fitokanana ny fasan’ny Maherifo, vaovao izay ny faritra Vatovavy Fitovinany no nisahana manontolo ny fanamboarana azy. Ara-tantara tokoa aloha dia nitrangana tolom-panafahana mahery vaika, tahaka ny tao Moramanga sy Anjiro ihany koa ny tany amin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny tamin’ny 1947. Na izany aza anefa dia maro no mahita fa somary misy ambadika politika ihany ny nisafidianana an’i Manakara hanatanterahana ny lanonana ofisialy momba ny 29 martsa, ary azo antoka fa hafonja ny kabary politikan’i Andry Rajoelina any an-toerana amin’io alakamisy io, ary mety tena hahafantarana ny ho tohin’ny fandaharan’asany sy hanomezany valin-kafatra ihany koa ho an’ireo izay manakiana azy isan’andro. Iaraha-mahalala koa fa mafampana ny disadisa politika ao Manakara ao, indrindra fa taorian’ny nanesorana ny filohan’ny Faritra sy ny PDS nitantana ny Kaominina.

Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-piarahamonina ihany koa dia mimenomenona ny olona, noho ny fahasarotan’ny fiainana, ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena, ary indrindra fa manoloana ny fitrandrahana fasimainty saika hataon’ny Sinoa any, izay tena lavin’ny vahoakan’i Manakara marindrano mihitsy ary nijoroan’ireo Tangalamena ny fanoherana azy. Ho avy hamono afo sy hanambitamby ny vahoakan’i Manakara ny filohan’ny tetezamita, noho izany maripana miakatra ambonimbony izany.

Mety ho tafiditra ao anatin’izao fihetsika izao ihany koa, ny fanomanana ny sain’ny vahoakan’i Manakara ny amin’ny tsy maintsy hitohizan’ilay tetikasa fitrandrahana fasimainty miaraka amin’ny Sinoa. Fantatra ihany koa fa any Manakara, no hanatanterahana ny hetsika «zoma fanampiana» ny zoma 30 martsa 20112, mba hanohanana sy hanampiana ireo fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana. Mazava ny resaka eto fa karakaraina tsara ny ao Manakara ao ary i Andry Rajoelina mihitsy no miditra an-tsehatra amin’izany. Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa …ao raha !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT