Politique

Andry Rajoelina Hamindra fahefana amin'ny miaramila ?


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Manomboka mivoaka indray ny siosion-dresaka amin'izao fotoana fa mety hamindra fahefana amin'ny miaramila i Andry Nirina Rajoelina any ho any amin'ny volana mey any.

 Ireo manamboninahitra ambony grady indrindra amin’ireo am-perinasa no hanolorany ny fahefana. Tanjona amin'izy io ny handravana amin'ny fomba mihaja ny tondrozotra ka tsy hahatafaverina an'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara. Na ahoana na ahona mantsy resaka sy fanomezan-toky atao dia tsy nety, tsy mety ary tsy hoeken'ny FAT mihitsy ny hiverenan'ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara. Ny fanilihana azy tanteraka amin'ny sehatra politika sy amin'ny fitantanana ny firenena no antony nandrodanana azy tamin'ny 2009, ka noho izany dia nofinofy izany hoe i Andry Rajoelina hanaiky ny fiverenany eto izany. Misy milaza fa sinema fotsiny ihany io famindrana ny fahefana any amin'ny miaramila io, fa rehefa avy eo dia hanolotra izany an'i Andry Rajoelina ihany, ilay karazana “Directoire Militaire” sinema.

Ny mety ho olana amin'ity resaka ity anefa dia efa tsy dia to teny amin'ny maro an'isa ao amin'ny foloalindahy ireto manamboninahitra jeneraly mety hanolorana ny fahefana ireto ka mety vao mainka hiteraka krizy hafa indray ilay izy. Ao anatin'ny vinavinan'ny mpanara-baovao ihany koa ny hoe, mety hanaiky handray ny fahefana ihany ny miaramila, fa kosa hivadika rehefa avy eo ka tsy hanaiky hamerina izany amin'ny sivily intsony. Mandeha ny resaka fa io sisa no tetika farany hitan'i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsaina azy, mba hialana amin'ny tondrozotra sy tsy hanatanterahana ny voasoratra ao anatiny. Fomba fiady politika avokoa moa izany rehetra izany ary zavatra tsy dia mahagaga, raha tena mitranga tokoa, satria efa hatry ny ela no fantatry ny rehetra fa tsy hamela an'i Marc Ravalomanana miditra an-kalalahana eto Madagasikara mihitsy ny FAT, izay tohanan’ny Frantsay, ary mba fombafomba mody natao fotsiny ihany ny fanarahana amin'ny ampahany ny tondrozotra, mba hahazoana famatsiam-bola. Azo ambara izany fa tena mbola ankamantatra tanteraka ny hoavin'ny firenena satria tsy misy mihitsy ny finiavana sy fahavononan'ny ankolafy politika sasany mba tena hiroso amin'ny fampihavanana fa dia mbola ny politikan'ny fanilihana ihany aloha no tena masaka ao an-doha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT