Politique

Andry Rajoelina Haharesy ny kolikoly marina ve ?


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Efa nazava fa nisy hala-bato ny voka-pifidianana filoham-pirenena farany teo, izany hoe nisy kolikoly nivantana na an-kolaka. Ny tatitra savaranonandon’ny Vondrona Eoropeanina izao no nilaza fa nizara vola i Andry Rajoelina.

 

 

 

Azo noraisina fa tsy nitombina ireny tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka dia nanaiky sy nanaja izay tapaka ny an-kilany satria didy tsy azo nivalozana ireny. Tsy atao mahagaga raha maro no manao izay danin’ny kibony ary mety hirarakopana indray ny fizaram-bola sy zavatra amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity satria efa manantena ny azo raisina fa tsy mitombina ny kandida, indrindra fa ny an’ny fanjakana. Ny andininy faha-233 amin’ny lalàm-pifidianana dia milaza fa iharan’ny sazy fanesorana tsy ho olom-pirenena, tsy ho afaka hofidiana sy hanao asa amin’ny maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona ary mandoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena ny mpivarotra vato. Izay ny ampahany tamin’ny fifidianana, fa tompondaka ihany koa ny fanjakana tetezamita tamin’ny resaka kolikoly isan-karazany toy ny fidirana ho mpianatra zandary, polisy, fahazoana tsenambaro-panjakana, nitrandraka tsy ara-drariny ny harem-pirenena toy ny vy tany Soalala nomena ny Wisco na mpitondra tsy voafidim-bahoaka aza no teo. Ny aferana boaderozy dia tamin’izany no tena nampanjaka azy. Io ihany no nolovain’ny HVM sy notohizany tamin’ny resaka malety. Ankehitriny i Andry Rajoelina, dia milaza fa miady amin’ny kolikoly ary mody misambotsambotra sy managadra olona etsy sy eroa kanefa ireo ngeza ao anaty fanjakana na mbola an-dalana misisika ao amin’ny alalan’ny fifidianana depiote. Matoa malaina sy mody fanina ary tsy manome bolongam-bola be eto ny mpamatsy vola, dia tsy mahatoky ny fisian’ny fanjakana tsara tantana, hany ka miezaka manatsara endrika ny fitondrana ny praiminisitra. Ho vitany irery ve raha ny namany ao aza akoholahy fantaka amin’ny ady amin’ny kolikoly avokoa ?  Tamin’ny fitondrana Ravalomanana no tsara naoty indrindra tamin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara satria faha-85 amin’ny firenena 180 tamin’ny 2008, raha toa ka 127 tamin’ny 2013, ary 153 amin’izao. Raha tsy mahavita milatsaka ambanin’io 85 io Rajoelina dia mbola aotra ny naotiny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT