Miala any ny don-tandroka samihafa hoenti-mampandany ny olon-dRajoelina hahazoana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina eny amin’ny antenimieram-pirenena.
Efa io miteraka adihevitra io aloha ny anaran’ny vovonana handrotsahany kandida ho solombavambahoaka dia ny “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”. Na inona na inona fanazavana hatao, dia mifangaro tanteraka ny raharahan’antoko sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Efa natao io tamin’ny taona 2013, fony filohan’ny HAT i Andry Rajoelina. Hajanona sy ho vitavitaina amin’ny hoe: efa didy fakan-tahaka (jurisprudence) iny tamin’ny 2013 iny izany izy ity ka mbola ho vitavita ho azy? Isan’ny naneho hevitra sy nanakiana mafy an’io fametrahana ny anaran’I Andry Rajoelina io Rtoa Lanto Rakotomavo, izay Sekretera Nasionalin’ny antoko TGV taloha, saingy efa nisara-dàlana tamin-dRajoelina sy ny ekipany. Nanamafy ny tsy maha ara-dalàna an’io Atoa Serge Zafimahova ny faran’ny herinandro teo. Raha io no zohiana dia tsy Filohan’ny Malagasy rehetra velively Rajoelina fa filohan’ny antokony satria mbola hita taratra ny tsy fipetrahany ho tsy mitanila eo anatrehan’ny ambanilanitra, ary ireo mpifaninana tsy avy amin’ny vovonana handrotsahany kandida sy ny olona ao an-damosiny, dia vahoaka Malagasy ihany koa saingy sokajiana ho vahalo politikan-dRajoelina mazava ho azy. Ao amin’ny andininy faha-48 amin’ny lalàmpanorenana, dia milaza ny zavatra tenenina rehefa mianiana ny filoha hoe: “Mianiana aho fa hampiasa ny fahefana natolotra ahy ary hanokana ny heriko rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam- pirenena sy ny zon'olombelona. Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàmpanjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka ". Mbola hamafisin’ny andininy faha-49, fa ny filohan’ny Repoblika dia tsy afaka mampifangaro asam-panjakana mifandraika amin’ny fifidianana, asa hafa, hetsika samihafa ao anatin’ny antoko politika na vondrona politika,… Ny fandikana io lalàna io, dia antony iray lehibe hahafaha-manaisotra ny filoha amin’ny toerany. Ny zava-niseho tany Toamasina nandritra ny fandalovan’ity filoha ity ny 17 martsa teo ireny, izay nisian’ny karazam-panentanana hitsena ny filoha sy ny hananganan-tsaina nataon’ny Prefe tany an-toerana, dia maro ny manasokajy azy ho endrika iray manamarika ny fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana ireny. Miala any indray ny amboletra sy teti-panorona mamohehitry ny fifidianana!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.