Manafika tanàna ny dahalo. Mikararana ny olona maty any atsimo. Malagasy an-jatony no mamoy ny ainy, betsaka koa ireo zandary sy miaramila lavo.
Voatafika ny JIRAMA, mirongatra ny fanondranana volamena an-tsokosoko, tsy tana koa ny boaderôzy, miakatra ny vidin-tsolika, miakatra ny vidin-kanina. I Zandry Kely anefa tsy hita sy tsy heno mihitsy ary tsy fantatra hoe lasa aiza rehefa vita ny vakansy tany Frantsa.
Angamba nanantena hoe ny mitondra firenena dia vitan’ny fiadanana ao an-dapa sy fampiasana fahefana fotsiny ihany. Rehefa raikitra mantsy ny fety, dia tonga dia hita miavaka amin’ny fiakanjo ry zareo. Hafa tokoa anie izany e ! Radama no fetra. Gaga ny vahiny fa tena manana ny maha izy azy ity mpitarika ny tolona tamin’ny 2009 ity.
Ankehitriny anefa, anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny Malagasy. Mba nahenoheno azy ve ianareo izay ? Inona, hono, no mba ataony ao an-dapa ao ? Sa mibango volo sy mamboatra tarehy fotsiny ihany ? Raha mba tena mpitarika tokoa mantsy amin’izao korontana etsy sy eroa izao, dia efa nilomay nidina nihazo ireny toerana nizaka ny mafy ireny, nampahery ny olona ary koa nitondra izay mety ho vahaolana haingana handaminana ny raharaha. Ny tena zava-doza, ny dahalo manafika tanàna ary sahy mitifitra mpitandro ny filaminana. Tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany izany. Asa aloha na tsy firaharahaina na tsy fahaiza-mitantana fa dia talanjona izao tontolo izao mahita ny mahazo an-dRamalagasy.
Ary ny vokatry fiakaran’ny solika ? Efa niakatra ny saran-dalana, tahaka izany koa ireo akora madinika fividy isan’andro na PPN. Dia inona ary izany no ataon’ny fanjakana ankehitriny e ? Tsy misy voafehy na fandriampahalemana na toekarena na sosialy, raha tsy hiresaka afa tsy ireny korontana tamin’ny fanadinana ofisialy sy ny mpampianatra ireny isika. Dia tsy misy vahaolana hita mihitsy ve manoloana izany rehetra izany ? Sao kosa ary dia tanjona hafa mihitsy no antony hitondrany izao firenena izao ? Tsy te hahalala izay mahazo ny vahoaka fa izay hifikirana amin’ny seza ihany no mahamay !
Raha nisy ny fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany tao Marikana Afrika Atsimo ka nahafatesana olona 30 mahery dia nandao avy hatrany ny fihaonana an-tampon'ny SADC tao Maputo Mozambika mihitsy ny filoha Jacob Zuma, nody tany Afrika Atsimo, nanao fanambarana ofisialy faran'izay haingana ary namory ireo tompon'andraikitra rehetra sy nitaky fanazavana. Eto amintsika anefa, efa ho 200 mahery ny Malagasy maty, nefa toa mangina avokoa. Dia gaga ianao hoe mbola misy mpitondra fanjakana ihany ve eto sa tsia ? Efa mangalatra omby an'arivony, mandrava sy mandoro tanàna ary tsy misalasala mamono zandary sy olon-tsotra ireo dahalo, fa mbola variana mikaroka ny hevitra rehetra hanakanana ny fiverenan’i Dada indray ry zareo. Fa misy mpitondra ve eto sa tsy misy e ?
Rehefa hiresaka amin’ny SADC sy ny firenena avy any ivelany tokoa mantsy dia hita milahatra ery ry filoha sy ireo mpanao politika namany, hiresaka sy hiseho tele, hilaza fa izao zava-misy izao no hetahetam-bahoaka. Aoka hazava ny resaka fa dia mahatsiaro fijaliana sy fahoriana ny vahoaka ankehitriny. Izay Dada filoha teo aloha izay anie ka tsy mitsahatra mitety ny sahirana tamin’izany fotoana izany “hijery ifotony” ny olana ary koa hitondra “vahaolana haingana sy maharitra”, nefa koa raha hiresaka amin’ny mpamatsy vola dia tsy very velively fa anisan’ny mitarika ny lohany. Ny mpitondra ankehitriny anefa sady tsy mahazo vola fanampiana avy any ivelany no tsy mahavaha ny olana eto anatiny. Koa atao ho inona moa izany ?
RTT sy Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.