Politique

Andry Rajoelina Fanomezan-toky no betsaka saingy ...


  • Zoma 30 Martsa 2012

Miezaka hatrany ny manome toky ny vahoaka i Andry Rajoelina fa tsy maintsy hita ny vahaolana amin'izao krizy mahazo ny firenena izao.

 Nohamafisiny indray izany omaly tany Manakara nandritra ny lanonana ofisialy nahatsiarovana ny faha-65 taonan'ny tolom-panafahana tamin'ny 29 martsa 1947. Efa kabary fandre tao anatin'ny telo taona anefa izany, fa dia tsy hita ihany ny tena marina hatramin'izao. Natao kabary be teto ny hoe hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana tamin'ny faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena. Nanaovana tsangambato be etsy Mahamasina, manana ny azy ihany koa ny tafika eo Anosy, kanefa dia ny hita sy tsikaritra dia miditra tsimoramora eto amintsika ny mpanjanatany fahiny.

Tsy mety mivaha ny krizy, ary tompon'andraikitra voalohany amin'izany i Andry Rajoelina, satria izy no tompon'ny teny farany amin'ny zavatra atao eto. Na dia misy aza ny mety tsindry avy any ivelany dia tokony ho afaka misafidy tsara izay hitondrany an'i Madagasikara izany filoham-panjakana izany, ary tsy maintsy ny tombontsoa iombonan'ny rehetra no karohany, izay hahatanteraka azy. Efa amin'ny lalana tena izy no mizotra isika ankehitriny, hoy i Andry Rajoelina omaly, tany Manakara. Tena lalan-tsarotra anefa iny lalana iny, ary tsy ho vitan'ankolafy tokana izany mihitsy ny hamakivaky azy samirery. Tsy nahatafavoaka baolina tao anatin'ny telo taona ny FAT, ary sarotra ny hinoana fa hahavita hamaha haingana ny krizy ato anatin'ny fotoana fohy i Andry Rajoalina sy ny ekipany, raha toa ka mbola manilika sy manakana ny hafa ihany. Ny toky fitaka fa ny atao no hita e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT