Mitombo sy miseho hatrany ny lamba maloton’ny fanjakana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina, indrindra fa taorian’ny raharaha famarotana ny tany misy ny Villa Elizabeth, nonenan’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert. Miezaka manadio tena kosa ireo olon’ny HAT,
ka tamin’ny voalohany dia nilaza fa ny fanjakana HVM no tompon’antoka, tato aoriana kely indray dia sahy nanitrikitrika sy nanasoketa ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana ho tafiditra ao anatin’io raharaha io. Efa maloto sy ratsy eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy nanomboka tany amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2008, ary mbola mivoaka ihany ny afera maloto mandrak’androany. Efa zary fomba fiteny mipetraka indray ny hoe “mpandroba sy mpivarotra ny tsy azy” satria namidy ny “Force One”, ny Villa Elizabeth, ny boaderozy … Ny mahagaga sy mahatalanjona dia mbola minia midingin-drambo sy mihantsy ady ary manaso-potaka ny hafa rehefa vaky bantsilana sy tratra ny afera maharikoriko, kanefa fakana ny fom-bahoaka sy fifonana na fanarenana ny tsy nety no tokony himasoana. Tsy hay na baiko avy amin-dRajoelina na tena an-tsitrapo ireny fanasoketana sy fanosoram-potaka ataon’ny olony ireny. Miezaka ny hanafotsy ny efa mainty ireo olony, fa Rajoelina tenany kosa efa tena misitri-belona sy tsy hahenoana teny satria eo am-pelatanan-dRajaonarimampianina ny ainy.
Mahalala afera sy tsiambaratelo
Mahalala amin’ny antsipirihany ny aferan-dRajoelina sy ny ekipany ny filoha ankehitriny. Na ireo milaza azy ho maherifo ao anatin’ny MAPAR aza mety betsaka no niesona. Voalaza fa nanaovana ramatahora sy tsy afa-nanoatra firy tamin’ny fanjakazakan’ny HAT anefa ny filoha ankehitriny. Niaraha-nahalala tsara ny naha minisitry ny vola azy ary izy rahateo “expert comptable” sy manana kabinetra afaka manao fitsirihana lalina amina resa-bola, ka afaka manadihady sy mbola mamoaka ireo afera hafa. Tombanana ho vao fanombohany ihany iny raharaha Villa Elisabeth iny. Tratry ny tambabe i Hery Rajaonarimampianina tamin’izany fotoana satria zary fandroban’ny HAT vola ny departemanta notantaniny, ary sarotra ny resaka fametraham-pialana tamin’izany noho ny mety fisian’ny fandrahonana ho faty raha vao mivadika. Fantatr’i Andry Rajoelina tsara fa mahalala zavatra maro i Hery Rajaonarimampianina, ka naleony nanampy sy nanosika azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena na dia i Edgard Razafindravahy aza no narotsaky ny TGV sy ny MAPAR tamin’ny 2013. Mbola nihevitra ny filoha ankehitriny ho bonaika sy azo entina amin’ny sangany hatrany, saingy nanana ny hambom-pony ity farany ary toa namaly faty tamin’ny tsindrihazolena natao taminy. Vao nivadika i Hery Rajaonariamampianina, dia nifitsaka sy nangina no nataon-dRajoelina satria fantany tsara fa tsy miafina tamin’ny filoha ankehitriny ny dosie maloton-dRajoelina sy ny HAT. Raha mbola ny HVM no eo amin’ny fitondrana, dia tsy hisy mangirana mihitsy ho an-dRajoelina sy ny mpanara-dia azy. Ankoatra ny fanjakana ankehitrinyihany koa anefa, dia mbola maro ny manana dosie sy porofo mivaingana momba ny afera maloton’ny tetezamita, saingy misy fotoanany ny zava-drehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.