Politique

Andry Rajoelina Efa mampionon-tena


  • Talata 14 Mey 2013

Namorona lanonana tampoka hanamarihana ny tsingerintaona faha-41-n’ny 13 mey 1972 ny tanànan’Antananarivo omaly.

 Tsy dia nisy fanaovana dokam-barotra be, fa natao raharaha tokantrano manokana tao, mba hifanenan’ny samy mpinamana. Tsy ho hay tohaina mantsy ny fanankianana raha nanaovana fanentanana mialoha, satria Malagasy maro no tsy faly, indrindra ireo mafana fo tamin’ny 1972 sy ny taranany, vokatry ny namefena io toerana manan-tantara io. Ny firenena rehetra eran’izao tontolo rahateo dia manana kianja na toerana nanamarika ny tantara niteraka fiovana tao aminy, ary anisany ny Kianjan’ny 13 mey raha ny teto Madagasikara satria teo no nampirodana ny Repoblika Voalohany ary mbola teo no nampitsimbadika ny tantara, nahaterahan’ireo Repoblika nifandimby ary ikasana hanangana izany Repoblika faha-4 izany ankehitriny. Vavaka iraisam-pinoana no nentin’ny Kaominina nanamarihana ny faha-41 taonan’io revolisiona tamin’ny 1972 io.

Saika mpanao politika mpitondra amin’izao fotoana no nameno ny efitra malalaka tao ambany rihan’ny Lapan’ny tanàna tamin’izany. Tonga tao i Andry Rajoelina, izay niezaka nampifandray ireo isa manamarika ny tantaram-pirenena amin’ny toerana misy azy sy amin’ny maha kandida filoham-pirenena azy koa, toy ny 29 martsa nisian’ny tolom-panafahana nihetsehan’ireo Tia Tanindrazana nanilihana ny mpanjanatany. Toa te hampiseho i Andry Rajoelina fa tsy kisendrasendra ny maha laharana faha-29 azy taorian’ny antsapaka nataon’ny CENIT nandaharana ireo kandida ao anatin’ny bileta tokana, fa taratr’izany tolona izany angamba (?). Etsy ankilany ny te haneho koa ny tenany fa tsy kisendrasendra ny fifanandrifian’ny isan’ny kandida 41 sy ity faha-41 taonan’io revolisiona tamin’ny 1972 ary koa ny maha laharana faha-41 azy amin’ireo kandida filoham-pirenena neken’ny CES hifaninana amin’ny 24 jolay. Fampiononan-tena ihany anefa ny an’i Andry Rajoelina raha izay.

Ny hetsika rehetra niseho tamin’ireo daty na vanim-potoana manan-tantara 1947, 1972, 1991, 2002 ary koa 2009 mantsy dia tsy ny mpitondra no nitarika azy fa nataon’ny olona leo fitondrana na koa notarihin’ny mpanohitra nandravana ny fitondrana. Te hisora-tena ho tia tanindrazana koa i Andry Rajoelina, izy izay mpamerimberina fa tsy misy tia tanindrazana hono ireo kandida nirotsaka hofidiana ireo ; sao dia izy no tokony handini-tena manoloana izao fahapotehan’ny firenena tao anatin’ny efa-taona nibodoany fahefana izao. Misara-bazana ankehitriny ny Malagasy hany ka manararaotra ny vahiny, very ny fiandrianam-pirenena, manjaka ny gaboraraka, tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, izany ve no fitondran’ny tia tanindrazana, raha tsy hoe efa fampiononan-tena ny azy !

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT