Politique

Andry Rajoelina Diso vanimpotoana indray


  • Alakamisy 03 Mey 2012

Nahazo famatsiam-bola mitentina 600 tapitrisa Ariary avy amin’ny fanjakana foibe ny tanànan’Antananarivo.

 Teo anatrehan’ny filohan’ny FAT no natao ny fanaovan-tsonia momba izany tamin’ny alalan’ny minisitry ny tetibola Rajaonarimampianina Hery andaniny sy ny PDS eto Antananarivo Razafindravahy Edgard ankilany. Haompana amin’ny tetikasa madinika fampandrosoana ny Fokontany miisa 30 izay samy hahazo 10 tapitrisa Ariary avy ny 300 tapitrisa Ariary voalohany. Anisan’ny laharampahamehana amin’izany ny fanamboarana ireo lalankely eny Ampefiloha Ambodirano, Tsiadana ary Andranomanalina Isotry. Hanampiana ny tetibolan’ny SAMVA hividianana solika hampiasain’ireo fiara mpanangona fako eto an-drenivohitra kosa ny ampahany faharoa. Ankoatra izay dia nanome fiara lehibe miisa 6 mitondra ny marika “FOTON” ho an’ny tanànan’Antananarivo koa i Andry Rajoelina omaly hanaovana izay asa fanangonana fako izay.

Mahazaka fako 6 taonina hatramin’ny 10 taonina isanisany ireo kamiao ireo, arakaraka ny habeny. Nolazain’ny filohan’ny FAT moa fa ny fahadiovan’ny tanàna dia endrika isehoan’ny fandrosoana ka vonona hitondra ny anjara birikiny hatrany ny fanjakana. Andraikitry ny fanjakana no manome fitaovana ara-bola sy ara-materialy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra saingy toa maneso ny mponin’Antananarivo ny fihetsik’i Andry Rajoelina. Niaina tao anatin’ny maimbo ny ankamaroan’ny Fokontany tamin’ireny fotoan’ny fahavaratra ireny noho ny fivangogoan’ny fako tetsy sy teroa ary nisy fotoana dia teny ambony fako mihitsy ny mponin’Anosizato Atsinanana no nandeha rehefa tsy araky ny SAMVA intsony ny fakana ireny fako ireny.

Ny tsy fahampian’ny tetibola no antony raha ny voalazan’ny Kaominina satria tsy nomen’ny ministeran’ny fampandrosoana ny anjara fanampiana tokony ho an’Antananarivo. Nijery fotsiny izany loto niainan’ny vahoaka izany anefa ny Ben’ny tanàna teo aloha, izay lasa filoham-panjakana ankehitriny, tamin’ireny fotoana. Efa milamina ilay olana ankehitriny sady efa maina rahateo koa ny andro vao mihazakazaka mijery ny mpitantana ny Kaominina sy sady manao pi-maso amin’ny vahoaka ny FAT. Raha ny fahitana azy dia fomba fiasa mahazatra an’i Andry Rajoelina mihitsy ilay diso vanimpotoana na ela fitsaika tahaka izao. Fotoana efa maharitra ny «nappe phréatique» koa izao no nanatontosa ny hetsika nasionaly momba ny fambolen-kazo ny 20 aprily 2012 lasa teo izay izy mihitsy no nitarika azy. Raha ny nambaran’ny teknisiana anefa dia kely ny herijika hahavelona ny hazo novolena tamin’iny andro iny satria sarotra be vao mahazo rano izy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT