Tanteraka ihany ity ilay tenin’ny filohan’ny tetezamita tany Toamasina, raha nitokana zava-bita tao an-toerana ny 20 janoary 2013, fa dia amin’ny 2018 indray mifankahita. Miteny ho azy ny voka-pifidianana vonjimaika azo avy eny amin’ny CENI-T Alarobia satria dia resy amin’ny isam-bato mazava ny kandida notohanan’i Andry Rajoelina.
Raha jerena anefa ny fihetsiketsehana sy ny faritra notsidihana dia manatombo lavitra i Hery Rajaonarimampianina. Raha ny tatitry ny mpanao gazety avy ao amin’ny fahitalavitra vahiny TV5 Monde dia nampiasa vola 12 tapitrisa euros na 33 miliara Ariary eo ho eo izy raha raisina fa 2.800 Ariary ny euro iray. Tsara homarihana fa tamin’ny fifidianana farany teo tany Frantsa dia nahatratra 11 tapitrisa euros ny vola nampiasain’ny filoha teo aloha Nicolas Sarkozy sy ny antoko UMP, izany hoe resin’ny kandidan’ny Hery Vaovao izany Atoa Sarkozy raha resaka tetibolana fifidianana no resahana. Mazava ny resaka eto fa dia olona tena leon’ny krizy sy manana foto-kevitra ijoroana mazava fa tsy voavidim-bola no nifidy ny Dr Jean Louis Robinson, ary efa azo sary an-tsaina dieny izao sahady fa hitovitovy amin’izay ihany ny mety hitranga any amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna, ka dia ho resy amin’ny isam-bato mazava koa ny ankamaroan’ireo izay fantatry ny olona fa miaraka amin’i Andry Rajoelina, eny fa na dia manova anarana antoko sy fikambanana aza izy ireo, tahaka ny nataon’ny Hery Vaovao. Tsy hita izay fanovana natao tao anatin’ny efa-taona koa dia tapa-kevitra ny hanova mpitondra ny Malagasy. Iza no tsy mahalala fa niroborobo fatratra ny afera maizina nandritra ny fitondrana tetezamita, ary manampahefana maro, sivily sy miaramila no tafiditra ao anatiny saingy mangina ny olona noho ny tahotra ny herim-pamoretana. Antontan-taratasy maro be no efa miandry fotsiny, momba ny afera maizina, fanodinkodinana volam-panjakana, fanagiazana tany, fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena, eny hatramin’ny famarotan’olona aza. Fantatry ny Malagasy ny mpiray petsapetsa amin’ireny, ka izay no nahatonga io voka-pifidianana io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.