Miezaka mikosoka ny tantaran’ny tetezamita i Andry Rajoelina. Manadio tena sy mametraka ny tenany sy ny mpitondra ho maodely amin’ny ady amin’ny kolikoly, fitantanana mangarahara ny volam-panjakana.
Tsy arakarak’izay anefa ny zava-miseho rehefa halalinina ny fomba fitantanany ny firenena. Efa zatra ny lalan-dririnina tamin’ny fotoanan’ny tetezamita, kanefa te hanala ny tandindon’izany. Mampitandrina ny rehetra mba hanara-dalàna Rajoelina fa izy tenany sy ekipany kosa toa mampiseho fa azy ireo ny fahefana ka izay tiany ihany io. Nanafatra fitaovam-piadiana izy ary nambarany fa izy no nanome ireo fitaovana nampiasaina dia fiara vaovao sy basy tetsy Mahamasina ny 19 janoary 2019. Mbola olom-pirenena tsotra izy nialoha ny fifamindram-pahefana sy fianianana. Afaka manafatra fitaovam-piadiana ve ny olon-tsotra ? Tsaroana tsara ny tenin’ny filoha mpisolo toerana Atoa Rivo Rakotovao tamin’izany hoe : atao ahoana sy atao inona ireo fitaovam-piadiana ireo raha tsy lany ilay kandida ? Tsy misy ny tena mangarahara tao anatin’io fa dia karazana afera maloto sy trafika no azo handikana azy. Tsy nisy resaka antso tolo-bidy (appel d’offre) ireny fa nampidirina fahatany tahaka ny manao didin’ny be sandry. Tahaka izay koa ilay fanafarana vary. Efa eny ambony sambo, hoy izy, tamin’ny fianianany. Volany manokana ary ve no nanaovana izany ? Sa an’ny minisiteran’ny mponina na an’ny minisiteran’ny varotra ? Tsy nisy antso tolo-bidy amina tsenan’asam-panjakana koa io. Na tsy nisy akory ilay izy fa mamahan-dalitra vahoaka Rajoelina na zavatra tsy mazava sy tsy mangarahara. Nambara fa ho avy tsy ho ela ny angidim-by miisa 5 hoenti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Antso tolo-bidy iraisam-pirenena no tokony hatao raha tena arahina ny lalàna fa tsy tahaka ny mividy mofogasy eny an-tsena. 45 andro mialoha farafahakeliny no tokony hanaovana an’io. Tsy ampy 45 andro nitondrana ny firenena anefa i Andry Rajoelina, ary efa iray volana teo izay no nilazana fa ho avy afaka roa volana izany. Raha tena misy io dia tsikaritra fa feno tsy fangaraharana ary tsy voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana hatreto ireny zavatra resahina ireny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.