Politique

Andry Rajoelina Atosik’i Beriziky hanapa-kevitra


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Araka ny vaovao navoakan’ny onjampeo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly antoandro dia efa nikasa ny hanala ny minisitry ny polisy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina vantany vao nitranga ilay famonoana mpitsara tany Toliara.

 Nitsivalana anefa ny praiminisitra Omer Beriziky, izay tena diplaomaty fomba fiteny tokoa ary tsy hanapa-kevitra mihitsy raha tsy vita ny fanadihadiana ataon’ilay vaomiera iombonana nalefa any Toliara. Fantatra ihany koa izao, araka ny tsiliantsofina re, fa nisy ny taratasy ofisialy nosoniavin’ny praiminisitra nalefany eny amin’ny filohan’ny tetezamita izay milaza mazava fa raha hanala tompon’andraikitra ihany noho iny raharaha any Toliara iny, dia miaraka esorina tsy ho mpikambana ao amin’ny governemanta intsony ny minisitry ny polisim-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana. Ho an’ireo nanaraka vaovao, tato anatin’ny herinandro latsaka kely dia nilaza Atoa Omer Beriziky fa any amin’ny filohan’ny tetezamita ny fanapahan-kevitra farany momba ity famonoana mpitsara nataona andiana polisy tany Toliara ity. Araka izany dia nailiky ny praiminisitra any amin’ny filohan’ny tetezamita tanteraka ny andraikitra fa dia mitazana fotsiny izy.

Maro ihany koa no mahita fa misy ady mangatsiaka eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Tany am-boalohany dia maro no nieritreritra fa voatsindry bokotra ingahy Beriziky ka nanara-drenirano fotsiny. Rehefa nitombina tsara anefa ny toerany dia nanomboka nampiseho ny tena toetrany amin’izay izy ary nandà am-panajana ny toromarika avy eny Ambohitsorohitra. Tsy mahagaga raha toa ka mitarazoka ny fivoahan’ny tena marina momba ny zava-nitranga tany Toliara sy ny fisamborana ireo nahavanon-doza. Ny ao ambony mihitsy no tsy milamina.

Azo eritreretina ihany koa fa mahafantatra tsara izany savorovoro any ambonimbony any izany ireo mpiasam-panjakana ambony, ka izay no mahatonga azy ireo mampiaka-peo, satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fitantanan-daharaham-panjakana fa dia samy sefon’ny tenany ny tsirairay avy, tsy voahaja ny rafitra, tsy fantatra ny lalàna mihatra, tsy mazava ny fitsipi-pifehezana mihatra ary samy be kabary ireo nahazo seza fa ny asa mivaingana tsy hita akory. Efa nampoizina ihany ny mety tsy hampifandray tsara ny tadin-dokanga eo amin’ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra. Tsy kolontsain’i Andry Rajoelina sy ny ekipany mantsy ny mizara fahefana sy miara-mitantana amin’ny firehana hafa. Atoa Beriziky ihany koa efa manana ny eritreriny ny amin’ny hitantanany ny governemanta. Raha ny nambaran’ireo olona mahafantatra azy tsara, dia tsy tiany loatra izy baikobaikona lava na tsindriana bokotra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT