Politique

Andry Rajoelina any Paris Hihaona amin’ny lehiben’ny Vondrona Eoropeanina


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

Taorian’ny diany tany New York Etazonia nanatrika ny fivoriambe faha-66 ny Firenena Mikambana ny zoma sy sabotsy lasa teo dia andrasana any Bruxelles, renivohitra Belzika indray amin’ity alatsinainy ity ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina.

 Fantatra fa hisy ny fihaonana maromaro atrehany any ka ny misongadina indrindra amin’ireny dia ny fihaonany amin’ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Vaomiera Eoropeanina. Lehibe sy manan-danja ho an’ny fitondrana tetezamita izany satria tato anatin’ny telo taona latsaka kely izao dia voalohany no nihaona tamina tompon’andraikitra ambony Eoropeanina tahaka izao ny filohan’ny FAT. Ny vondrona eoropeanina izay efa niaraha-nahalala ihany fa tena hentitra tamin’ny fanakianana ny fanonganam-panjakana nisy teto tamin’ny 2009 ary mbola nanamafy izany tamin’ity taona ity. Anisan’ireo fikambanana irasam-pirenena nanapaka ny famatsiam-bolany eto Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina ary tsy mbola nanaiky mihitsy ny maha ara-dalàna ny fitondrana tetezamita misy eto Madagasikara.

Nihazakazaka anefa ny toe-draharaha vantany vao voasonia ilay sori-dalana satria sady afaka nikabary tany amin’ny Firenena Mikambana Atoa Andry Rajoelina no afaka mihaona sy miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra ambony izay mety ho ny filohan’ny kaomisiona eoropeanina izay olona tena sarotra azo sy ifampiresahana noho ny andraikitra maro be sahaniny. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : efa midika ho faneken’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita ve izany rehetra izany ka hampiverina miandalana amin’izay ireo fanampiana maro samihafa ? Tsara homarihana fa mpamatsy ara-bola goavana an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina, indrindra fa amin’ny resaka fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa fa tombon-dalana lehibe ho an’i Andry Rajoelina manoloana ireo mpifanandrina politika aminy izao fihaonana amin’ny olobe eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao ary tena mety hanova mihitsy ny fifandanjan-kery eto.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT