Politique

Andry Rajoelina any Maorisy Mitalaho famatsiam-bola ho an’ny IEM


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Nigadona tany Maorisy omaly alahady i Andry Rajoelina mivady sy ny delegasionina tarihiny, ka ny Praiminisitra Maorisianina Pravind Jugnauth mivady no nitarika ny delegasionina nitsena azy ireo teo am-pahatongavana tao amin’ny seranam-piaramanidina Sir Seewoosagur Ramgoolam.

 

 

 

 Fitsidiana ara-panjakana sy fanatrehana ny faha-51 taona nahazoan’ny Maorisianina fahaleovantena homarihina rahampitso 12 martsa no anton-diany.  Raha ny fifandraisana amin’ny manam-pahefana Maorisianina aloha, dia inoana fa manga ny lanitra.Nanambara ny Maorisianina fa mahaliana ny “Initiative emergence Madagascar” na IEM ary nanamafy ny filoha Maorisianina vonjimaika Atoa Paramasivum Pillay Vyapoory fa vonona ny ho mpiara-miobon’antoka sy ho mpiara-miasa amin’i Madagasikara amin’io izy ireo.Ho resahana amin’ny andinindininy miaraka amin’ny Praiminisitra, minisitry ny atitany , minisitry ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ary ny minisitry ny vola sy ny fampandrosoana ara-toekarena Maorisianina ny momba izay ho endrim-piaraha-miasa.Hisy rahateo ny fanasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta mandritra izao dian’ny filoha Malagasy any an-toerana izao, manara-dia azy any moa ny minisitry ny raharaham-bahiny, ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisitry ny fitaterana ny famantarana ny toetry ny andro ary nyfizahantany , ny minisitry ny serasera sy ny kolontsanina, ny minisitry ny indostria sy ny asa tanana; any an-toerana ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena.Efa andro be izao no any Maorisy ny mpitondra fanjakana Malagasy, mafonja ny delegasionina, mazava ny resaka mikaroka fiaraha-miasa sy famatsiam-bola hanatanterahana ny IEM i Andry Rajoelina ary anisan’ny hanohana azy amin’izany raha izao fahitana azy izao ry zareo Maorisianina, izay efa maika sy dodona ihany koa amin’ny resaka faritra ara-toekarena manokana (ZES) eto Madagasikara.Ny alakamisy 14 martsa izao indray dia hihazo an’i Nairobi-Kenya indray i Andry Rajoelina hiatrika ny fihaonana iraisam-pirenena “One planet summit” karakarain’ny Frantsay sy ny Firenena Mikambana, ary ny Banky iraisam-pirenena. Hiresahana ny fiovaovan’ny toetr’andro izy io, ka ny marainan’io 14 martsa io no mety hisian’ny fandraisam-pitenenan’i Andry Rajoelina raha tsy misy ny fiovana. Re fa hihaona amin’ny Filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron ihany koa i Andry Rajoelina mandritra io fotoana io. Tsy fantatra hoe rahoviana no mody. Na zoma na sabotsy raha ny lojika, raha tsy hoe mitohy manao faran’ny herinandro any Frantsa. Herinandro eo izany ny filoha tsy eto an-tanindrazana, izay mifanojo amin’ny fifaranan'ny fanaterana dosien’ireo depiote.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT