Tsy tongatonga ho azy ny fanakianana mavaivay ataon’ny mpanao politika sy ny mpandraharaha sasany ary ny olon-tsotra leon’ny krizy ny fitondrana tetezamita, ary i Andry Rajoelina moa matetika no tena hiantefan’ny fanakianana.
Ny antony dia satria kivy tamin’ny zavatra nataony ny olona, vitsy dia vitsy mba tsy hitenenana hoe tsy nisy vita mihitsy, ireo fampanantenana nataony teny an-kianja. Misy koa anefa ny mpandinika ny raharaha politika no mahita fa tsy dia i Andry Rajoelina loatra no tsy te hanasoa ny vahoaka sy ny tanindrazany, fa tafiditra anatin’ny vela-pandrik’ireo mpanao politika izy. Araka ny filazan’ny mpahay politika iray dia maromaro ihany ny fahadisoan’i Andry Rajoelina, teo amin’ny nidirany tamin’ny sehatra politika ka mahatonga izao tsy fahombiazany izao.
Voalohany tamin’ireny ny niarahany niasa tamin’i Norbert Lala Ratsirahonana, tamin’ny alalan’ny fividianany ny haino aman-jery Ravinala, izay lasa Viva Radio sy TV moa ankehitriny. Mpahay lalàna, efa filohan’ny HCC, efa filohan’ny tetezamita, mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ingahy Ratsirahonana.Mahalala zavatra maro eo amin’ny tantaram-pirenena, indrindra fa ny lafiny politika. Koa dia roboka niara-niasa taminy Atoa Rajoelina izay mbola tanora erotrerony ary zazavao tanteraka amin’ny sehatra politika. Efa reraka izany antoko AVI tarihan-dRatsirahonana izany, izay resin’i Lahiniriko Jean sy Roland Ratsiraka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2006. Rehefa tafaraka tamin’i Andry Rajoelina anefa ny tenany dia velona indray ny AVI, ary nanomboka nametraka ny olony amin’ny sehatra maro eto amin’ny firenena, izany hoe sady nanampy an’i Andry Rajoelina ingahy Ratsirahonana no nanome vahana ny antokony ihany koa, ary efa niomana ny amin’ny fifidianana ho avy rehetra eo.Raha ny fahitana azy, dia ho sarotsarotra amin’ny TGV ihany ny handresy ny AVI amina resaka fifidianana, ary ny AVI dia azo antoka fa tsy hanohana TGV izany.
Fa fahadisoana faharoa nataon’i Andry Rajoelina, ihany koa raha ny fahitan’ny maro azy dia ny niantsoany ireo mpanao politika mba hanohana azy amin’ny fifanandrinany tamin’i Marc Ravalomanana. Dia nisy moa ilay fihaonambe teny amin’ny La Rotonde Besarety tamin’ny faramparan’ny taona 2008. Ankehitriny dia maro amin’ireo mpanao politika ireo no tsy voafehin’i Andry Rajoelina intsony. Maro be no mandoto rano ary nanaratsy endrika ny fitondrana FAT. Misy mihitsy aza moa no nivadika sahady tamin’ny filohan’ny tetezamita. Nanohana azy mba handrodana ny fitondrana Ravalomanana fotsiny ny ankamaroan’ireo mpanao politika ireo, fa kosa tsy hanohana azy mandrakizay.
Fahadisoana fahatelo, nataon’i Andry Rajoelina ihany koa ny nanasoniavany ny satan’i Maputo, kanefa avy eo tsy nanaja izay voasoratra izy. Teo no nanomboka tsy natoky azy ny sehatra iraisam-pirenena, na dia nanohana mafy azy aza ny Frantsay. Maro no milaza fa tsy natoky ny heriny i Andry Rajoelina matoa nanasonia iny fifanarahan’i Maputo iny, fa raha tena resy lahatra izy fa miaraka aminy ny vahoaka maro an’isa, tonga dia nanohy ny fandaharanasany sy nikarakara fifidianana. Fehiny dia miha mafy ny krizy, satria efa hatrany am-boalohany no diso famindra ilay ambara fa olona hitondra ny fanovana ary mitantana ny firenena amin’izao fotoana. Andrana no atao eto fa tsy tena misy zavatra matotra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.