Politique

Andry Rajoelina Ampijabahan’ny HCC…


  • Talata 24 Desambra 2019

Milaza indray ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa ara-dalàna tanteraka ny voalazan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na ny LFI 2020,

 amin’ny fanenana ny volan’ny Antenimierandoholona ho an’ny loholona 18 isa, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Eo ihany koa ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny taona ho avy ary ny vola natokana ho “Fonds speciaux” 200 tapitrisa dolara (izay mahagaga fa mitovy amin’ny vola lanin ny MAPAR nampandaniana ny tenany tamin’ny hala-bato sy fividianana safidim-bahoaka 2018 teo), izany hoe sahin’ireto mpitondra ireto ny mampiasa tsotr’izao ny volam-bahoaka hamerenana ny vola laniny tamin’ny propagandy (fonds de campagne), hoy ity filohan’ny Sendikan’ny mpitsara teo aloha ity. Dia mangina ry HCC fa mety, hono, izany sady araka ny lalàmpanorenana. Ahena ny fe-potoana hiasan’ny loholona, ary efa mifanerana amin’ny loholona 18 isa ny tetibola ho an’ny taona 2020 izay 15 miliara ariary eo, raha naverin’izy ireo ho 34,8 miliara ariary tao anatin’ny fanitsiana nataony, saingy voatsipaka ambavafo. Ny fiadidian’ny Repoblika anefa dia 215 miliara ariary, ka karazana fahirano atao amin’ny antenimierandoholona, izay misy mpiasa 600 eo fa tsy loholona 63 fotsiny. Voafaritry ny lalàna fa 5 taona ny fe-potoam-piasan’ny loholona izay tsy azo hafoizina na halavaina (mandat impératif), izany hoe ny taona 2021 no tapitra ny fe-potoana, saingy hihazakazahana ny fifidianana alohan’ny fotoana. Fanovana ny lalàmpanorenana no hahafaha-mikitika izany, saingy ny an’ny fitondrana dia ny sarety no lasa alohan’ny omby. Ny lalàna no toa terena hanaraka ny an’izay metimety aminy fa tsy izy no natao hanaraka lalàna satria toa hihazakazaka any amin’ny fanovana lalàmpanorenana ka hampifanarahana amin’izany ny resaka antenimierandoholona, ny lehiben’ny faritra havadika ho governora. Raha ny filazan’ny filohan’ny antenimierandoholona matetika Atoa Rivo Rakotovao, dia tsy olana aminay na rahampitso aza fa ataovy ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Adihevitra goavana ary mety hampijabaka ny filoha io endrika fihantsiana ady amin’ny loholona, izay HVM no maro an’isa io, ankoatra ny lonilony politika nateraky ny fifidianana. Anisan’ny andraikitra goavana hiantsorohan’ny HCC ny antoka ho an’ny fitoniana (garant de la stabilité) saingy efa maro ny fahatsapana fa diso manaraka ny sitrapon’ny filoha io rafitra io na efa hita izao aza fa tsy ara-dalàna. Miha mitombo ny lonilony ary tompon’andraikitra ny mety ho fipoahana ateraky ny mety fahatezerana noho ny fanomezana vahana be fahatany ny filoha ny HCC.  Mety ho fototra hahafahan’ny Fitsarana manokana (HCJ) manenjika azy ihany koa io amboletra sy bontolo io any aoriana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT