Politique

Andry Nirina Rajoelina “Ekeko sy ankatoaviko ny sonia !”


  • Alatsinainy 19 Septambra 2011

Naneho ampahibemaso ny heviny mikasika ny fahavitan’ny sonian’ny tondrozotra ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina.

 Tamin’ny alalan’ny kabary no nanaovany izany, 36 ora aty aorian’ny fahavitan’ny sonia tao amin’ny Le Paon d’or, izay “villas présidentielles” teo aloha. “Io izany no lalan-tokana tsy maintsy izorantsika”, hoy i Andry Rajoelina, hamerenana ny hasin’ny firenena sy hametrahana an’i Madagasikara eo amin’ny toerana misy azy sy izao tontolo izao (…) ka, “isaorana ny SADC sy ny mpanelanelana”. Na tsy niloa-bava mivantana aza i Andry Rajoelina dia taratra tamin’ny teniny fa miaiky izy fa tsy tafavoaka tamin’iny lalana iny, ka ankehitriny vao milaza fa “tsy hitondra any amin’ny lalana tsy azo antoka”. Filazana izay narahina fanomezan-toky fa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena, dia “ekeko sy ankatoaviko ny sonia”, hahafahana mametraka andrim-panjakana. Mametraka ahiahy anefa ny filazany fa tompon’andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka 20 tapitrisa ireo mpanao politika, aorian’iny fanaovana sonia iny sy ny nisaorany manokana ny foloalindahy, izay nambarany fa naneho sy nanamafy ny fiandrianany ny firenena ka “mendrika ny ankasitrahana manokana”. Tsy nanao sonia mivantana ilay tondrozotra rahateo i Andry Rajoelina, ka mety ho mora aminy ny hilaza fa tsy mamatotra azy iny. Mbola tsaroan’ny maro rahateo ny zava-nitranga tany Maputo Mozambika tamin’ny 2009, fa i Andry Nirina Rajoelina dia nametraka an-tsoratra ny “charte des valeurs” na satan’ny soatoavina, milaza ankapobeny fa tenin-dehilahy no ifanaovana, nandritra ny dinika izay namoahana fifanarahana maromaro narahina sonia ny aogositra 2009, nefa dia sahiny notsipahina tsotra izao. Milaza moa izy ankehitriny fa mitaky fahamendrehana sy ny fitiavan-tanindrazana ny fanatanterahana io tondrozotra io, ka dia ho hita eo ny tohiny.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT