Samy manana ny fomba fiheviny sy fiasany tokoa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amintsika. Raha nanatanteraka ny « Journée des Parlemantaires » tetsy amin’ny Lapan’Anosikely omaly alakamisy 14 desambra ireo senatera sy solombavambahoakan’i Madagasikara manatanteraka ny fivoriana ara-potoanany avy ankehitriny ka nandinika niaraka ny lohahevitra
« Rôles des Parlementaires pour un processus electoral apaisé » na ny andraikitry ny parlemantera amin’ny zotram-pifidianana ao anaty fitoniana , dia nafana ny adihevitra nifanaovana ka samy nampiaka-peo araka ny mahazatra azy avy ireo parlemantera roa tonta Malagasy. Ny nahavariana, na efa nazava aza ny lohahevitra handraisam-pitenenan’ny tsirairay dia mbola misy ihany parlemantera mamily ny resaka any amin-javatra hafa tsy misy hifandraisany amin’io lohahevitra io akory tahaka ny resaka hetra takiana amin’ny orinasa Tiko AAA mba hamiliana ny resaka amin’i Marc Ravalomanana mpanao politika fotsiny tsotra izao. Efa nazava ny hevitry ny an-daniny sy ny an-kilany amin’ny resaka fikitihana na tsia ny lalàmpanorenana iainana ankehitriny. Heno teny an-toerana fa fifanakalozan-kevitra savaranonando ity natao ity ka mbola hisy ny ho tohiny izay tena mbola misitery tanteraka. Nisavorovoro sy nikorontana kely mihitsy azan y teny amin’ny lapan’ny antenimierandoholona omaly, tsy nahay nifanaja sy nifandamina ireo depiote sy senatera..mampieritreritra a !
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.