Politique

Andron’ny demokrasia Mikasa haneho hevitra eo Ambohijatovo ny VMMR


  • Alakamisy 15 Septambra 2011


 Marihina manerantany amin’ity anio 15 septambra ity ny andron’ny demokrasia. Tsy handalo fotsiny fa dia hanamarika izany ny Vehivavy Manohana an’i Marc Ravalomanana na VMMR. Amin’ny maha olom-pirenena, ary amin’ny maha vehivavy, reny ary vady azy ireo dia mahatsiaro ho manana adidy ny VMMR ka mikasa ny haneho hevitra mikasika indrindra ny fahatsapana sy ny iainan’izy ireo izay demokrasia izay ao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo izy ireo anio, ary efa niomana amin’ny loko manga tanora marik’izany demokrasia izany. Nandefa fangatahana teo anivon’ny fiadidiana ny tanàna sy ny prefektiora izy ireo ny talata, saingy baraingo kosa raha ho afaka hanatanteraka io hetaheta io, satria raha ny omaly hariva dia tsy nahazo alalana ho ao izy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT