Ho fampiharana ny «Arrêté Municipal n° 404- CUA/ CAB. 16 portant fermeture d’une construction métallique érigée sur une intersection sise à Androhibe appartenant à Mme IARIFENO Rose Vatosoa», dia niroso tamin’ny fanakatonana ity trano ity ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo (CUA) omaly alakamisy 19 mey 2016.
Nanatanteraka izany ny Lehiben’ny Boriborintany Fahadimy Rakoto Emmanuel Richard sy ireo mpiara-miasa aminy natrehin’ny vadintany Maitre Rasoamanana Nicolas.
Trano fivarotana hani-masaka ity trano ity, miorina eo amin’ny tanin’ny Kaominina eny Androhibe Analamahitsy, ampitan’ny toby mpaninjara solika Galana, tsy azo ivarotana noho izy tafiditra ao anatin’ny lalana fampiasan’ny daholobe.
Tamin’ny volana desambra 2015 no efa nahazo fampiomanana ny tompon’ny trano ny amin’ny tokony hialana amin’ny toerana, ankoatra ireo fifampiresahana, ka izao niafara tamin’ny fanakatonana izao. Noho ny fizirizirian’ny tompon’ny trano dia efa nesorina taminy koa ny fahazoan-dalana mivarotra, andro vitsy lasa izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.