Isaky ny 20 martsa no fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an`ny Frankofonia maneran-tany.
Anisan’ny mankalaza izany ny Malagasy. Tsy maintsy mifanerasera sy mifandray amin’ireo firenena hafa na ara-barotra na ara-toe-karena na noho ny antony hafa izay tsy iaraha-mahalala noho izao fivoaran’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izao i Madagasikara. Anisan’ireo firenena 79 mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay isika ary miisa 274 tapitrisa ireo mampiasa ny teny frantsay maneran-tany. Ny frantsay rahateo dia maro eto Madagasikara na dia vitsy aza no miteny na mahazo ny teny malagasy. Na dia samy resy lahatra ireo Firenena mivondrona eo anivon’ny Frankôfônia fa ny tenin-drazana aloha no voalohany vao ny teny frantsay dia mila mianatra teny vahiny ny Malagasy araka ny voalazan’i tompokolahy Henri Rahaingoson, mpanoratra sy akademisiana tamin’ny fahavelony manao hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ». Hanomboka anio ary haharitra telo andro ny Fivoriamben’ny tambajotra miteny frantsay na RECEF. Miisa 35 ny firenena handray anjara ka minisitra, filohan`ny CENI maromaro, manampahaizana manokana amin`ny fifidianana no vahiny nasaina. Ny filohan`ny CENI Madagasikara, Hery Rakotomanana, no filoha lefitra amin`ity RECEF ity izay lany tamin`ny taon-dasa. Hananan`ny firaisambe iraisam-pirenena fahatokisana ny Ceni Madagasikara matoa eto amintsika no tanterahina mandritra ity taom-pifidianana ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.