Voatendry omaly ny praiminisitra vaovao, Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Administratera sivily zanaky ny faritra Sofia ity farany. Raha jerena izany izao ny andrimpanjakana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka dia samy avy eto anivontany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, ary zanak’Avaratra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Tsy ahitana taratra ny fifandanjam-paritra, izay mbola maha sarotiny ny Malagasy maro. Hadino i Fianarantsoa sy Toliara. Dia mbola hiverina indray ve izany ny nanaovana an’ireo faritany roa ireo taloha ho fasan’ny tetikasa (Cimétière de projets) ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.