Tsy mametraka olana amin’ny fihaonan’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ny filoha lefitry ny Kongresy avy amin’ny faritany Fianarantsoa, Andriatsizehena Benja Urbain.
Kely finoana amin’ny hisian’ny vahaolana hivoaka amin’io fihaonana io anefa ny tenany. “Azo atao ny miresaka sy mifampidinika amin’ny maha Malagasy antsika saingy tsy miandrandra zavatra firy amin’io izahay”, hoy izy. Manantena kosa anefa ny tenany fa hifandefitra izy mianaka ka hahita marimaritra iraisana amin’ny fampiharana ny tondrozotra. “Tahaka ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra dia sarotiny aminy koa izahay. Samy tsy nanao sonia ny tondrozotra mantsy ry zareo ka tsy tokony hikitika azy fa ny fampiharana no tokony hodinihany”, araka ny fanazavany ihany.
Momba ny fahafahan’ireo filoha roa ireo milatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray izay ambara fa anisan’ny lahadinika amin’ny fihaonan’izy ireo dia nilaza ity mpanao politika lohany ao amin’ny UDR-C ity fa ny lalàmpanorenana no mamaritra izay olom-pirenena mahafeno ny fepetra handray anjara amin’izany. “Ny fitsarana kosa anefa no afa-milaza raha olo-meloka na tsia ny filoha Marc Ravalomanana satria misy ny raharaha mahavoarohirohy azy”, hoy i Andriatsizehena Benja Urbain. Matoky koa ny tenany fa tsy manana fiandaniana ny CENI-T satria samy manana solontena ao avokoa ny vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra sy ny fiarahamonim-pirenena. Aminy dia azo ihafiana ity rafitra mpikarakara ny fifidianana mandritra ny tetezamita ity. Eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia niarahaba ny XV Makis ny tenany noho ny fandresena goavana azony ny alahady teo ka niakarany ao amin’ny vondrona A aty amin’ny faritra Afrika. Tsiambaratelon’ireny fahombiazana ireny raha ny heviny ny fananan’ireo mpilalao toe-tsaina tia tanindrazana, ny fampirisihana azony ary koa ny fanohanan’ny mpijery izay tonga maro.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.