Politique

Andriatsizehena Benja Urbain “Mila mifandefitra isika”


  • Zoma 20 Jolay 2012

Andriatsizehena Benja Urbain, Filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita faritany Fianarantsoa, Sekretera jeneraly lefitry ny vondrona politika UDR-C ary sekretera jeneralin’ny antoko RPSD, no vahinin’ny SOKELA anio. Ny resaka nifanaovana taminy.

Tia Tanindrazana(TT) : Misy amin’ireo nametraka an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana no efa niala taminy ary farany teo aza dia nilaza mihitsy ny talen’ny kabinetrany teo aloha fa izy mihitsy no olan’ity firenena ity. Tsy efa fotoana tokony hikopahan’elatra koa ve izao ho anareo ?

Andriatsizehena Benja Urbain (Bebain) : Ny UDR-C dia anisan’ny vondron’antoko manohana ny filoha Andry Rajoelina. Tsy mbola mahita antony tokony hisintahana aminy izahay. Izy no marik’ilay fiovana teto amin’ny firenena ary mbola manohana ny politikany koa izahay, indrindra amin’ny fametrahana ny rafitra rehetra amin’ny Repoblika fahefatra amin’ny alalan’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra.

TT : Ny vadin’ny filoha Afrikanina Tatsimo teo aloha Rtoa Dilamini Zuma no mpitantana vaovao ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Mety misy akony amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ve izay raha ny hevitrao ?

Bebain : Tokony hisy akony tokoa. Isika efa nisafidy fa ny SADC no hanelanelana amin’ny krizy eto. Rehefa miteny SADC anefa dia i Afrika Atsimo izay. Misy dikany matoa ny Minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny Afrikanina Atsimo, Atoa Marius Fransman no nandray an-tanana ny fanelanelanana taty. Mino izahay fa hanafaingana ny dingana famahana ny krizy hataon’ny SADC sy Vondrona Afrikanina io fahalaniany io.

TT : Be dia be izay fifanarahana nosoniavina izay fa tsy mbola milamina foana i Madagasikara. Raha fehezina amin’ny fehezanteny iray, inona no tena vahaolana heverinao fa hampivaha azy ?

Bebain : Ny tena vahaolana amiko dia ny fifandeferana. Tsy maintsy mila izany isika na nanao sonia ny tondrozotra na tsia mba ahafahantsika mivoaka amin’ny krizy. Mba tsy izay metimety amiko no atao na izay tian’ny ankolafy Ravalomanana fa samy mifandefitra. 

TT : Nomena tsiny ny ankolafy Ravalomanana rehefa nisintaka ny Parlemanta. Mivangabao koa anefa ianareo nandritra ireny fivoriana ireny, anisan’izany ianareo UDR-C ?

Bebain : Ny mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita dia manao ny asan’ny solombavambahoaka. Noho izany dia maro amin’izy ireo no manao tatitra any amin’ny faritra niaviany. Fivoriana tsy ara-potoana rahateo no natao ka misy no efa nanao fandaharam-potoana fa misy koa ireo tsy salama. Raha ny tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana fahadimy farany teo indray dia tonga nameno ny efitrano ny Parlemantera ka nandany ny lalàna fehizoro. Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana mantsy dia mila mahatratra ny antsasa-manilan’ny mpikambana ny fandaniana lalàna fehizoro. 

TT : Nilaza koa i Andry Rajoelina fa tokony hisy fifidianana anankiray amin’ity taona 2012 ity. Azo antoka hamaha ny krizy ve izany, indrindra raha tsy fifidianana filoham-pirenena no hatao ?

Bebain : Ny lalàna rehetra izay nandalo teto amin’ny Parlemanta dia lany avokoa, anisan’izany ny lalàna momba ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena. Raha hisy fifidianana amin’ity taona ity dia fifidianana solombavambahoaka no tokony hotanterahana satria izahay eto anivon’ny Kongresy dia malaza fa olom-boatendry fa manao ny asan’ny solombavambahoaka. Mba hampisy andrim-panjakana marim-pototra eto izany dia alefa aloha ny fifidianana solombavambahoaka. Amin’izay fotoana izay dia ny antoko na vondrona mahazo ny maro an’isa amin’ny Parlemanta no manendry ny praiminisitra. Voavaha ho azy koa ny resaka fisintahan’ny ankolafy rehefa tafajoro ny Parlemanta voafidim-bahoaka. Andrim-panjakana roa lehibe izany no hisy eto amin’ny firenena amin’ity 2012 ity dia ny Parlemanta sy ny governemanta repobika faha-4. Raha mipetraka ireo dia mino izahay fa misokatra ny fanampiana ara-bola.

TT : Momba izay fifidianana izay ihany, hanana ny kandida iraisana ve ny UDR-C sa samy handeha hitokana ireo antoko ao anatiny sa hiara-dalana amin’ny TGV ?

Bebain : Kandida tokana no hatolotry ny UDR-C izay misy antoko sy fikambanana 30 mahery. Misy vaomiera manokana hatsangana eo anivon’ny UDR-C izay hisahana ny fifantenana ny kandida hotohanana isaky ny Distrika. Tsy mbola fantatra ny fomba fiaraha-miasa amin’ny TGV fa tsy mbola misy fifampiresahana. Vonona foana anefa izahay hifampiresaka amin’ny antoko na vondrona antoko afaka miara-miasa aminy. 

TT : Raha ny hevitro dia hilatsaka ao Manakara ianao. Mety handefitra ve ianao ka hisintona ny filatsahanao raha manolotra kandida ao ny TGV ohatra ?

Bebain : Tsy misy ny fisakanana izay te hirotsaka fa amin’ny maha Sekretera jeneraly lefitra ny UDR-C ny tenako sy amin’ny maha Sekretera jeneralin’ny antoko RPSD izay ao anaty UDR-C dia nanapa-kevitra ny RPSD fa hanolotra ahy ho kandida tokan’ny UDR-C ao Manakara. Anjaran’ny TGV na hanolotra izy na tsia.

TT : Momba ny RPSD izay indrindra dia nandritra ny fihaonambe tamin’ny taon-dasa no nahenoana azy farany ? 

Bebain : Amin’ity taona ity izahay no manomboka mankalaza ny faha-20 taona ny RPSD. Hatomboka eny anivon’ny faritra ny fivoriambe izay faranana amin’ny Kongresy nasionaly eto Antananarivo. Efa mamolavola ny fanatontosana ny fivoriambe eny anivon’ny faritra tsirairay ny birao politika izao. 

TT : Mihetsiketsika be ianao mitondra fanampiana mpanao fanatanjahantena. Sao misy tetika handray ny toeran’ny minisitry ny fanatanjahantena am-perinasa izay voakina matetika ? 

Bebain : Tsy izay ilay izy. Raha vonona amin’izany toerana izany aho dia mety efa lasa minisitra hatry ny ela tamin’ny anaran’ny UDR-C. Tsy izany no tanjona amiko. Mahatsapa fa tia fanatanjahantena ny tanora Malagasy nefa tsy ampy ny enti-manana dia mitondra izay anjara biriky kely. 

TT : Be dia be ny fitokonana izao. Ny filohan’ny FAT milaza fa tsy fotoan’ny fitakiana izao kanefa nanao fampanantenana hanova ny fiainan’ny Malagasy izy teny amin’ny “13 mey”. Maro koa ny miaramila nasondrotra galona ? 

Bebain : Nitaky fiovana ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2009 ary efa hita taratra izany amin’izao tetezamita izao. Tsy hahavita hanova indray mipi-maso ny zava-drehetra tsy tontosa nandritra ny 50 taona anefa ny tetezamita fa mandeha miandalana io. Ny fitakiana ataon’ny sendika isan-tokony anie ka mariky ny fiovana notakian’ny vahoaka tamin’ny 2009. Tamin’ny fitondrana teo aloha dia fanapahana karama no natao izay sendika na mpiasam-panjakana manao fitakiana. Tadidintsika fa nisy mpampianatra mpikaroka sy mpitsara notapahana ny karamany. Na dia manana ny rariny sy hitsiny aza ireo sendika manao fitakiana amin’izao dia tokony hieritreritra ihany fa tetezamita izao. 

TT : Amin’izao koa anie ny filohan’ny FAT mandrahona hanapaka karama ary nilaza fa handroaka ireo izay mbola miziriziry mihitsy aza araka ny kabariny tany Mahajanga ?

Bebain : Tsotra ny antony. Ny tombontsoa ambonin’ny ankizy Malagasy no voatohintohina amin’izao fotoana izao. Tokony hifandinika sy hifampiresaka ny sendika sy ny fanjakana, izany hoe manohy ny fitakiana ry zareo fa miasa koa. Amin’ny Repoblika faha-4 kosa no hotanterahana izay fifanarahana hita eo. 

TT : Amin’ny maha tomponandraikitra ambony anao avy amin’ny Faritany Fianarantsoa, misy ve tetikasa famelomana indray ny lalamby FCE sy ny seranantsambon’i Manakara ?

Bebain : Efa anaty fandaharanasan’ny Faritra sy Faritany izany. Ny FCE moa dia mampifandray an’i Fianarantsoa sy Atsimo Atsinanana iray manontolo ary tena ianteheran’ny Faritany mihitsy tahaka ny seranantsambon’i Manakara koa. Efa misy koa ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fitaterana amin’ny fanatsarana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-tanety. Ao anatin’izay koa ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-25 mampitohy an’i Fianarantsoa sy Atsimo Atsinanana. Nitondra faisana tamin’ny rivodoza farany teo io lalana io ary efa manarina azy ny Ministeran’ny asa vaventy sy fitaterana. 

TT : Ny teninao farany ?

Bebain : Tsy tafavoaka amin’ny krizy isika raha mbola manana fomba fijery hafahafa. Manao antso avo amin’ny mpanao politika aho mba hanana finiavana sy fifandeferana. Anisan’izany koa ireo sendika isan-karazany, aoka mba hiara-kisalahy hijery ny tombontsoan’ny firenena ahafahana miroso amin’ny fifidianana. 

Nangonin’i Yves 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT