Misy fiantraikany be dia be amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fitarozahan’ny tetezamita. Sahirana ary tena efa mizaka ny tsy eran’ny aina ny sarambabem-bahoaka. Tsy azo antoka rahateo ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena ka potika manaraka izay ihany koa ny toekarena.
Ireo no zava-misy sy tsikaritry ny filohan’ny fikambanan’ny vadintany eto Madagasikara, Andriatsima Ravelo Heriniaina amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia tsy resy lahatra amin’ny fikarakarana sy ny fahatomombanan’ny fifidianana ity lehiben’ny vadintany ity. Ny antony voalohany dia satria tsy manaja ny lalàna velona izay misy isika eto Madagasikara indrindra ireo rafi-panjakana mahefa ankehitriny. Ohatra amin’izany ny fandatsaham-bato ao anatin’ny fotoam-pahavaratra, hoy ny tenany. Mbola olana iray hafa ihany koa araka ny fomba fijerin’ity olon’ny lalàna ity ny fifamoivoizana eto amin’ny firenena satria dia simba ny ankamaroan’ny lalana raha tsy hilaza afa-tsy ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny izay vao avy namitany iraka vao haingana. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vaovao voaray any amin’ireo toerana tena ambanivohitra be. Hatramin’izao mantsy dia mihevitra ireto sokajin’olona monina any amin’ny faritra tsy mahara-baovao ireto fa mbola ny filoha Marc Ravalomanana no mitantana an’i Madagasikara. Ao anatin’izay rehetra izay dia hiteraka olana goavana ho an’ny mpifidy ny biletà tokana amin’ny fandatsaham-bato, hoy i Andriatsima Ravelo Heriniaina satria sady tsy ampy ny fotoana fanentanana no tsy ho hain’ny besinimaro ara-potoana ny fampiasana azy io. Aminy ny tena vahaolana dia tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy satria mbola manjavozavo be ihany ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ary tsy tena mbola milamina ny tany sy ny fanjakana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.