Politique

Andriantsizehena Benja Urbain Vonona hamarana ny tetezamita ireo parlemantera


  • Zoma 06 Janoary 2012

Enga anie ity taona ity mba hitondra fahombiazana amin’izay hatao sy fitoniana politika mba hiatrehana ny fifidianana hifandimby izay hametrahantsika ny rafitry ny Repoblika faha-4, hoy CT Andriantsizehena Benja Urbain.

 Miangavy ny mpanao politika ny tenany mba samy hibanjina izay ahafahan’ny Malagasy hivoaka amin’ny krizy. Nitondra teny ireo olom-panjakana zanaky ny Faritr’i Vatovavy Fitovinany ny tenany ary nanome toky fa vonona ny hiara-miasa sy hampandeha ny fitondrana tetezamita ary hamarana izany amin’ny alalan’ny fifidianana. Mikasika ny fivoriana tsy ara-potoana voalaza fa hatrehan’ireo parlemantera manomboka amin’ny alatsinainy izao dia nambaran’ity mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita ity fa raha vantany vao ambara amin’ny haino aman-jerim-panjakana (Rnm sy Tvm) ny didim-panjakana manaika ny parlemantera hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana dia efa mivonona avy hatrany amin’izany ireo mpikambana rehetra ety Tsimbazaza sy eny Anosikely.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT