Politique

Andriantsizehena Benja Urbain Tsy voasoratra anaty tetibolam-panjakana 2018 ny 4x4


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Rehefa nitaky hatrany tamin’ny mpanatanteraka izahay depiote tety Tsimbazaza ny mba hampitomboana ny tetibola hampiasaina amin’ny resaka fandriampahalemana sy ny sosialim-bahoaka dia hita soritra tao anatin’ilay volavolan-dalàna laha-040/2017

 

tamin’ny 27 oktobra 2017 momba ny lalànan’ny Fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2018 izay nodinihana teto amin’ny Antenimiram-pirenena ireo toe-javatra ireo ka izany no antony nandanianay depiote 86 tonga nivory teto Tsimbazaza tamin’izao alarobia 15 novambra 2017. Lany tsy nisy nitsipaka izy io. Nankasitrahanay depiote ihany koa ny hanohizana ny CLD ka ho 300 tapitrisa ar izany hoan’ny distrika manana solombavambahoaka 2 ary 250 tapitrisa ariary ho an’ireo manana depiote 1 voafidy tao aminy. Marihana, hoy ity depiote voafidy tany Manakara ity tsy tafiditra tao anatin’ity tetibolam-panjakana hoamin’ny taona 2018 ity ilay resaka fividianana 4 x 4 hoanay depiote koa dia mijanona ho resabe fotsiny hatreto ny amin’iny raharaha iny. Voamarika teny Tsimbazaza omaly fa nisondrotra 18% raha oharina tamin’ny tetibola 2017 ity nolaniana omaly teny an-toerana ity.

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT