Politique

Andriantsizehena Benja Urbain Rava ho azy ny rafitra tsy nanara-dalŕna


  • Sabotsy 03 Mey 2014

Tsy mila fanonganana izany ny fanoloana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, hoy ny depiote Andriantsizehena Benja Urbain avy ao amin’ny PMP, fa miverina ho azy ny fifidianana.

 Samy nanao hadisoana daholo izahay rehetra raha nanatanteraka fifidianana tao anatin’ny fitsipika anatiny taloha iny. Ary raha vantany vao ankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ilay volavolan-dalàna momba ny fitsipika anatiny nolanianay tao amin’ny Antenimieram-pirenena dia mazava ho azy ny fanamafisana ny tokony hamerenana ny fifidianana rehetra. Hadisoana goavana teo amin’ny sehatry ny fanaovana politika ny nataon’ny Mapar nibaiko manontolo ny toerana rehetra tao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, hoy ity mpanao politika ity.

Izahay PMP, hoy i Bebain dia manana ny kandidà rehetra hatolotra amin’ny fifidianana ho avy, tahaka ny fanolorana an’Atoa Rakotomamonjy Jean Max ho kandidà filoha, fa izahay kosa tsy hibodo ny toerana rehetra satria tsy vitan-drery ny raharaha fanaovan-dalàna ety amin’ny Antenimieram-pirenena ety. Mba tsindriako kely manokana, hoy izy, ny amin’ilay resaka “Immunité parlementaire” izay tsy midika velively hoe tsy maty manota, araka ny fiheveran’ny maro azy, fa fiarovana ny depiote fotsiny amin’ny hahafahany miteny ankahalalahana rehefa hitsikera sy hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT