Politique

Andriantsizehena Benja Urbain “Mila fandaminana lehibe ny fizarana ny faritra”


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Nandritra ny lahateniny tamin`ny fianianany tetsy Mahamasina, nilaza ny filoham-pirenena fa hisy ny fanovana rafitra hanakaiky kokoa ny vahoaka. Tsy ho 22 intsony ny isan`ny faritra fa ho 23 hotantanin`ireo governora.

 

  Raha ny fantatra dia voakasika izany ny faritra Vatovavy-Fitovinany.  Raha ny hevitry ny depiote Benja Urbain Andriantsizehena, voafidy tany Manakara, manamora ny fampandrosoana izany sady mifanaraka amin’ny fangatahan`ny vahoaka, nefa mila halamina aloha mba tsy hampikorontana. Raha tsy voarindra amin`ny tokony ho izy ny fizaram-paritra dia hiteraka olana eo amin`ny faritra roa. Mahakasika ny faritra Vatovavy Fitovinany, misy distrika roa lehibe no renivohitra amin`io faritra io. Fito rahateo ny vinany hatreo Vohipeno hatrany Manakara. Ny foko ao anatin`io ihany koa mizara roa dia Antemoro sy Antanala. Raha amin`ny distrika misy an`ireo foko ireo dia mizara telo koa ny distrika dia i Manakara, Vohipeno, Ikongo. Mizara roa anefa ny hevitra ao Ikongo, hoy ny depiote Benja Urbain. Ikongo Atsimo, mifanila vodirindrina amin`i Vohipeno sy Manakara ary Ikongo Avaratra mifanila amin`i Ifanadiana. Misy olana lehibe izany satria ny kaominina ao Namorina, distrikan’i Mananjary dia foko Antemoro maha fitovinany azy. Raha mijanona any Mananjary io kaominina Namorina io dia lasa enina vinany ny distrika Vohipeno sy Manakara. Raha ny lojika, tokony hiverina any amin`ny distrikan`i Manakara kaominina Ampasimanjeva ny kaominina Namorina izay misy ny foko Antemoro nefa mitambatra amin`ny distrikan`i Mananjary. Nohamafisiny fa tokony halaina ny hevitry ny vahoaka any ifotony. Tsy azo ihodivirana intsony ny fanomezana distrika vaovao ao anatin`ny faritra roa mba hahafahana mampivelatra kokoa ny lafiny fampandrosoana mba hampisy ny fandrindrana ny fizarana, hoy ny depiote Benja Urbain Andriantsizehena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT