Tsy mangingina ny antoko RPSD, hoy ny Sekretera Jeneraliny, Andriantsizehena Benja Urbain, satria tamin’ny volana jolay 2011 dia nanao ny kongresy nasionaliny izy ary nanapa-kevitra fa hanolotra kandidà ny RPSD indrindra amin’ny fifidianana eo anivon’ny Faritra rehetra dia eo koa ny fifidianana solombavambahoaka sy fifidianana loholona.
Ny antoko RPSD izay niorina tamin’ny 1992, hoy izy, dia nanana solombavambahoaka teo anivon’ny Antenimieram-pirenena foana nanomboka ny taona 1993. Dia mbola vonona izany izahay ny hanana olom-boafidy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy eny anivon’ny Antenimierandoholona. Raha ny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nanambara ity Sekretera Jeneralin’ny antoko RPSD ity, fa raha misy finiavana sy fifandeferana amin’ny andaniny sy ankilany mpifanandrina dia tsy isalasalana ny hivoahantsika amin’ny krizy, ary miroso amin’ny famahana ny olana misy eto Madagasikara, indrindra indrindra ny fampiharana ny tondrozotra. Ka tokony hibanjina izay ny mpanao politika rehetra, hampandefitra ny hambom-po ary tsy hanao kajikajy politika amin’ny vondrona na antoko politika misy azy fa dia hijanona ho mpampihatra ny tondrozotra sy tsy hiresaka afa-tsy ny vahaolana amin’ny famahana ny krizy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.