Niendaka tamin’ny toerana maha minisitry ny fizahantany sy ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro azy ihany i Andriantiana Jacques Ulrich fa tsy vitany ny nanala ny
kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar tao anaty lisitra B. Lisitra mainty, tsy ahafahan’ity kaompania nasionaly ity misidina ny lanitr’i Eoropa. Fanamby sy fampanantenana no nataon’i Andriantiana Jacques Ulrich nandritra ny fotoana naha minisitra azy izay fa “AOTRA” raha ny vokatra. Nanangan’ady tamin’ny mpiasan’ny Air Madagascar indray aza no nataony, ka nisamborana sy nampakarana Fitsarana ny enina tamin’ireo mpitarika sendika ao amin’ny Air Madagascar. Ny efatra tamin’ireo no tena nitondra faisana satria dia tsy mbola tafaverina amin’ny asany mandrak’izao na eo asa ny didim-pitsarana manome rariny azy ireo, hiverenany miasa sy mizaka ny zon’ireo feno, saingy manao be marenina tsy mampihatra didim-pitsarana ny foibem-pitondrana ankapoben’ny Air Madagascar ka dia mbola tavela ety ivelan’ny orinasa izy efa-dahy. Ny lafiny fizahantany moa dia tsy mety tratra ny fanamby hahatongavan’ny mpizahatany telo hetsy isan-taona teto, noho ny fikorontanan’ny fitaterana ana habakabaka, indrindra ny an’ny Air Madagascar noho ny olana lalovan’ity orinasam-panjakana ity, izay toa misy mikendry izay haharendrika azy tsotra izao. Nisy, tamin’ny volana febroary lasa iny, ny iraky ny Vondrona Eoropeanina nanao fitsirihana sy fanadihadiana tao amin’ny Air Madagascar sy ny ACM (Aviation Civile de Madagascar). Andrasana amin’ity volana aprily ity ny valiny ary amin’izay no hahafantarana na hivoaka ao anaty lisitra B ihany ny Air Madagascar na tsia.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.