Izahay eo amin’ny hery afovoany dia efa nilaza tany am-boalohany fa tokony hifampiresaka ny andaniny sy ankilany, hoy i Andrianirina Max Fabien filohan’ny FMM (Force Médiane Mixte) mpikambana ao amin’ny GFC (Groupement des Forces Centristes), dia izahay no atao karazana sehatra anankiray hifampiresahana kanjo izay zavatra izay tsy nisy.
Dia io moa nitsangana ilay governemanta, nisy ny fandrafetana ilay governemantan’ny fampiraisana. Fa ny zavazatra mampiahiahy fotsiny ka mampametra-panontaniana ny aty amin’ny hery afovoany hoe : ampy ve io mba hitondra any amin’ny fitoniana eto Madagasikara ? Fa aminay ilay izy dia tokony ho nisy ezaka natao satria iaraha-mahita fa misy manohitra an’io governemanta io noho ny tsy fisian’ny sehatra hifampiresahana, ny tsy fankatoavana ny hery afovoany hanao an’izay elanelam-panahy izay. Raha ny fijerinay azy dia efa misy firosoana kely izy io ho any amin’ny lafatra, hoy i Max Fabien. Sarotra ny manao zavatra ka tsy hifanomezan-tsiny fa ny irariana dia ny ho tonga any amin’ny tongalafatra ilay governemanta mba hivoahana tanteraka amin’ilay krizy.
Mikasika ny fahatongavan’ny Amiraly anio alakamisy dia nanambara ity mpanao politika ity fa nanatrika ny fihaonana rehetra tany Maputo izy ary nanao sonia, nanao ny rehetra rehetra mihitsy ka zony raha ny fijerinay azy, hoy ny filohan’ny FMM raha mody eto Madagasikara izy satria eo ny maha Malagasy azy ary ny mahatompon’andraikitra azy ao anatin’ny famahana ilay krizy ary efa nanaiky fa hanao sonian’ilay tany amin’ny Le Paon d’Or saingy nangataka izy fa eto Madagasikara no hanaovany izany ka mino aho fa hitondra fitoniana bebe kokoa ary hitondra izay lafatra izay ny fahatongavan’ny Amiraly eto satria mbola tia tanindrazana izy ary nahavita be teto amin’ny firenena. Mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia mitovy daholo ireo satria izy efatra mirahalahy ireo no nanao sonia tany Maputo. Tomponandraikitra daholo izy ireo ary tsy tokony hiala ao anatin’ny famahana ny krizy haingana ka entanina ry zareo hamaha ilay krizy ao anatin’ny fitiavana ny tanindrazana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.