Anisan’ny mpitarika nandritra ny taona maro ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tao Toamasina i Andrianiarifera Malalaniaina. Milaza fa mbola TIM izy saingy elatra Raharinaivo. Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Tsy hita firy teo anivon’ny sehatra politika ianao, saingy nipoitra indray nandritra ny fandalovan’Atoa Raharinaivo tao Toamasina. Taiza foana ary inona no anton’ny fivoahana ?
Andrianiarifera Malalaniaina (Naina) : Tsy hoe niepoka ara-politika ny tenako fa misy fotoana tsy hita kely fotsiny. Efa ela aho no niaraka tamin’Atoa Raharinaivo. Amiko dia ny TIM tarihiny aloha no ara-dalàna hatreto araka ny fanapahan’ny birao politika. Tsy olona no jereko, fa ny TIM izay efa namonoako tena sy nanenjehan’ny olona ahy hatramin’ny taona 2002 no arovako mafy.
TT : Inona ary no toeranao amin’izao TIM heverinao ho ara-dalàna misy anao izao ?
Naina : Tsy vao izao no nihazonako toerana teo anivon’ny TIM, efa RegTIM sy DisTIM ny tenako ka raha misy ity hoe TIM izatsy na izaroa ity, dia tsy izay no mahamaika ahy fa ny fiarovako azy amin’ny maha antoko lehibe sy manana tanjona amin’ny fampandrosoana azy no arovako tsy ho rava noho ny olana misy ankehitriny.
TT : Fanaovana sonia ny tondrozotra ve sa ny fanaovana fifidianana, araka ny hevitrao manokana no hamaha ity krizy efa 30 volana ity ?
Naina : Samy vahaolana ireo, satria ny fanaovana sonia ny tondrozotra dia mitarika amin’ny fanaovana fifidianana madio sy mangarahara eto amin’ny firenena. Izahay TIM “Raharinaivo” aloha dia efa vonona ny hanao sonia izany ho famahana haingana ny olana hidirana amin’ny fifidianana eken’izao tontolo izao.
TT : Ny hevitrao amin’ny fiverenan’Atoa Marc Ravalomanana tsy misy fepetra nataon’ny SADC sy ny Troika ?
Naina : Tsy olana amiko ny fiverenany, izay rahateo no tanjona. Ny fotoana anefa no tokony hojereny tsara sy ny fomba hahatongavany eto Madagasikara
TT : Ho kandida ve Atoa Naina atsy ho atsy ? Tsy olana aminao ve ny olana eo anivon’ny antokonareo ?
Naina : Tanjon’ny mpanao politika ny ho kandida, nefa tsy mbola fotoana hilazana izany izao. Ny olan’ny antoko indray dia tokana ny TIM amiko. Mampandroso ny antoko koa ny fahamaroan’ny hevitra tsy mitovy toy izao, tahaka ireo antoko lehibe any ivelany any. Harena izany ka tsy tokony hiadivana na hisarahana eo amin’ny samy mpikambana sy mpiara-mitolona.
TT : Ny teninao hamaranana ny resaka teto ?
Naina : Misy fiantraikany aminay mpandraharaha ny krizy, miantraika amin’ny vahoaka ihany koa. Tsy misy mpanam-bola sahy mampiasa vola intsony, ka misedra fahasahiranana izahay. Tsy nanakatom-baravarana izahay satria teo ny fitahin’Andriamanitra sy ny ezaky ny mpiara-miasa rehetra, izay no ilazako fa tokony hofaranana haingana ny krizy. Ny hafatro fotsiny koa, dia aza misaraka isika TIM ! Antokontsika io ka ny fanambarana ny hery no zava-dehibe, satria ny tanjona dia ny handrobaka fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana tsy ho ela atao eto amin’ny firenena.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.