Politique

Andrianasolo Ted Von Them Hanakorontan-javatra ny fandravana ireo rafitra misy


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Ankatoavin’ny tanora any Morondava izay manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ilay fanaovan-tsonia ny sori-dalan’i Sandton tamin’ny sabotsy, hamahana ny krizy lavareny, hoy Atoa Andrianasolo Ted Von Them, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady filoham-paritry ny Vovonam-pirenen’ny tanora ho an’ny fampandrosoana (PNJ).

 Isaorana ny mpanao politika rehetra amin’ny fandeferana nasehon’izy ireo izay hita fa mitsinjo ny vahoaka amin’ny fanavotana an’i Madagasikara, hoy izy. Ny hirariana izao dia hitohy an-tsakany sy an-davany ny fanatanterahana azy iny. Ny mpikambana ao amin’ny governemanta ho an’ity CT ity dia ampiana fotsiny amin’ny Ankolafy 3 sy ireo nanao sonia ny sori-dalana. Ohatra izay koa ny CST sy CT ary ny CENI. Hanakorontan-javatra indray ny fandravana ireo, ho izy, fa ny fanampiana fotsiny no atao aminy. Ny tsy fifanarahana dia misy foana, hoy ity CT ity, fa izay voasoratra ao anatin’ny sori-dalana no ampiharina mba hampilamina, hoy Atoa Ted Von Them.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT