Politique

Andriamiatrikarivo Tiana James Pierrot Avoahy aloha ny lisitr’ireo mahazo «amnistie»


  • Alarobia 08 Aogositra 2012

Ny fifidianana dia miankina amin’ny mpanao politika rehetra ihany, hoy ny CT Andriamiakatrarivo Tiana James Pierrot (UDR C).

 Ny zava-misy aloha dia tokony ho fantatry ny vahoaka mazava tsara  ireo olona nahazo «amnistie» farany teo satria misy olona manantena hahazo nefa tsy mahazo, hoy izy. Dia tsara izany mivoaka ilay lisitry ny mahazo famotsoran-keloka mba ahafahana miroso amin’ny fifidianana. Tokony ho fantatra mialoha satria misy mahazo «amnistie» nefa tsy afaka milatsaka satria mety manana heloka hafa ohatra. Ny amin’ny fanontaniana manao hoe : mety ve sa tsy mety ny daty navoakan’ny CENIT dia heverinay fa miankina amin’ny faneken’ny rehetra io daty io no hitondrana azy, hoy ny CT Tiana James Pierrot.

Ny zava-misy mantsy dia manana solontena ao amin’ny CENIT avokoa ny rehetra nanao sonia ny tondrozotra ka azo anaovana «repère» izany io daty io. Ny tontolon’ny  politika dia miova isan’andro, hoy ity CT ity, ka tsy mahagaga raha misy zavatra miova taorian’iny famoahana daty iny. Tsy mpanao politika raha vao tsy miovaova hevitra sy tsy manana fivoarana ara-kevitra, hoy izy. Arakaraka ny tontolo misy no afahan’ny fiovaovan’ny sehatra politika ka mety hanova zavatra be dia be io fifidianana io. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT