Maro an’isa ny ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina HVM ka tsy mahagaga ny vokatra azo, hoy ny senatera Andriambololona Mananjara tamin’ny fanehoan-kevitra voalohany nataony taorian’ny nivoahan’ny vokatra ofisialin’ny fifidianana senatera teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana ny zoma lasa teo.
Azo ambara fa tena nadio sy nangarahara ny fifidianana teto amin’ny Faritanin’Antananarivo ary nanerana an’i Madagasikara mihitsy aza, hoy ity Lehiben’ny Faritra Analamanga teo aloha ity. Iny ny voka-pifidianana nisy, nefa ambarako fa tsy vitan’olona na antokon’olona samy irery fa mitaky fiaraha-miasa amin’izay vonona hampandroso an’i Madagasikara ny Hvm. Mijoro izany izao ny andrim-panjakana loholona mpanao lalàna izay tena manana andraikitra lehibe eo amin’ny fanohanana ny mpanatanteraka ary hiaraka hiasa amin’ny filohan’ny Repoblika amin’ny tetikasa ataony. Laharam-pahamehana, araka izany, ho anay ny fampandrosoana sy ny fanomezana tolo-tsaina ho an’ny filoha sy ny tantsoroka ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra antoky ny fampandrosoana ny firenena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.