Politique

Andriamatoa Fulgence “Ny CES no hampisy ady an-trano eto”


  • Zoma 10 Mey 2013

Maro ny hevitra nivoaka tato ho ato izay, indrindra taorian’ny mazian-dRajoelina ny 03 mey sy ny fivoahan’ny fehin-kevitry ny dinika fampihavanana nataon’ny FFKM ny 05 mey teo.

 Ho an’Andriamatoa Fulgence filohan’ny “Groupement des Sympathisants du Fédéralisme de Toamasina” sy ny “Fikambanan’ny zaza mahazo honondraha Toamasina” sady olona nilaza ny fikasany hirotsaka ho depiote voalohany tao Toamasina, dia “raha misy ny ady an-trano eto dia ny CES no antony. Efa hita taratra izao fa efa manana ny tohanany sy andrian’ny fony ireo mpitsara ao amin’ny CES ireo. Tena afa-baraka ny mpitsara sy ny mpahay lalàna Malagasy manoloana ireny tranga ireny”. Momba ny fehin-kevitry ny FFKM dia nambarany fa “mety ary efa nandrasan’ny Malagasy iny, fampihavanana rahateo no anton’ny dinika sy nandraisana soso-kevitra nangonina sy nofehezina”.

Mikasika ny datim-pifidianana dia tsy mampaninona azy ny fitazonana na koa ny fanemorana izany sy ny fanaovana tetezamita vaovao raha izay no tena hisian’ny fitoniana ara-politika sy handaminana ny krizy eto saingy “tsy azo ekena kosa fa efa mahantra sy mila mpitondra voafidim-bahoaka ny Malagasy”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, amin’ny maha zanak’i Mananara Avaratra azy dia nilaza ny heviny mikasika ny olana iainan’ny mponina sy ny zava-misy any koa ny tenany. Nambarany fa ny fifehezana ny delestazy ihany no vahaolana.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT