Politique

Andriamanantena Rajoharisoa Ny fodian-dRavalomanana an-tanindrazana ihany no vahaolana


  • Alarobia 11 Janoary 2012

“Tsy miova amin’ny hevitro aho amin’ny hoe ny fodian’Atoa Filoham-pirenena Marc Ravalomanana an-tanindrazana ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao”, hoy Atoa Andriamanantena Rajoharisoa.

 Ny antony dia tsotra fotsiny : “Filoham-pirenena lanim-bahoaka izy ary voafidy tao anatin’ny fomba demokratika. Raha vao mihataka amin’io demokrasia io isika dia mihidy avokoa ireo loharanom-bola rehetra ary dia hiaina amin’ny fahantrana eto ny Malagasy iray manontolo”. Na inona na inona fisehoan-javatra misy amin’izao fotoana izao, na iza na iza hilaza hoe izahay no mpitondra eto amin’izao, ny tsara indrindra dia ny mifanaraka, ny mifanara-tsaina ary manao izany ho vovonana an-tampon’ny loha. Tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, tsy matahotra hifampiresaka amin’ireo filoha teo aloha mirahalahy (Zafy Albert sy Didier Ratsiraka) ary indrindra amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Fa izy efatra ireo no toko mahamasa-nahandro. Ireo no hamaha ny olana dia hiverina ao anatin’ny fotoana fohy ny fiainam-pirenena. Raha tsy izany dia mbola hitarazoka io krizy io ary dia ny vahoaka tsy mandady harona ihany no iharan’ny vokany. Tsy hisy ny fandriampahalemana sy filaminana raha tsy tonga eto izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT