Rehefa nanao ny tsy nambinina tamin’ny fifidianana depiote tamin’ny taona 2013 natrehany tany Mananjary Atoa Andriamanampisoa Gégé Bosco ka nirona tanteraka tamin’ny fitantanana rafitra fanatanjahantena taorian’izay,
lasa filoha lefitry ny federasionin’ny ady totohondry Malagasy ary koa lasa filohan’ny klioba Uscafoot foot-ball eto Analamanga dia tapa-kevitra indray ankehitriny fa hanomana ny fifidianana ho solombavambahoaka manaraka amin’ity taona 2018 ity. Tamin’ny fanatrehany ny lanonana fankalazan’ny vehivavy ny 8 martsa tany Mananjary tamin’ity taona 2018 ity ary no nanaovan’i Manager Haja sy ny tenany fanaovan-tsoniam-pifanarahana fa hiray lisitra izy ireo amin’ny fifidianana depiote manaraka any amin’ny distrikan’i Mananjary V7V na hifanohana tanteraka raha lisitra A ny iray ka ho lisitra B ny ilany.
Tamin’io lanonana 8 martsa tao amin’ny kaominina Antsenavolo distrikan’i Mananjary io koa no nanoloran’Atoa Gégé Bosco amin’ny maha filohan’ny fikambanana Rano sy Vary azy lelavola fanampiana an’ity kaominina ity mitentina 400.000Ar sy tafo fanitso 20 ho an’ny biraon’ity kaominina ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.