Resabe etsy sy eroa indray amin’izao fotoana ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, mialoha ny fihaonan’ny SADC hatao any Maputo
Ho an’Atoa Andriamampianina, olon-tsotra dia ilaina ity fihaonana ity mba handinihina ny fampiharana ny tondrozotra araka ny tokony ho izy. Ny zava-misy amin’izao fotoana dia tsy tanteraka ny fampiharana izany ka izay no mahatonga ireo olon’ny Ankolafy Ravalomanana nisintaka tsy miatrika fivoriana na ny minisitra na ny CST sy CT. Nohamafisiny ihany koa fa lalana iray mety hahatanteraka ny fifidianana amin’ny 08 mey 2013 ity fihaonan’izy roalahy ity satria raha tsy misy zavatra mivoaka amin’io dia mbola sarotra ny hino fa hisy fifidianana. Mahakasika ny datim-pifidianana izay navoakan’ny CENI-T moa dia nambaran’Atoa Andriamampianina fa mety mihitsy ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha satria io no olana teto Madagasikara ary izay no hiverenan’ny Malagasy ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.
Rariny raha io no atao mialoha, ary mandra-pahatonga izay dia tokony hampiharina ny tondrozotra raha tena tiana ny hisian’ny fitoniana sy filaminana eto Madagasikara. Resabe iniana voizina amin’izao fotoana ihany koa ny tsy filatsahan’izy ireo hofidiana. Nambarany fa ny filoha Ravalomanana no olomboafidy farany naongan’ny vahoaka teto araka ny filazan’ny andaniny ary Rajoelina indray no mpanongana teto izay nilaza fa napetraky ny vahoaka ihany koa. Samy milatsaka izy ireo hotsarain’ny vahoaka marina ka ho hitan’ny havany eo izay tsy lanim-bahoaka marina. Efa lany andro raha ny fahitan’nity olon-tsotra ity ny ady gasy voizin’ny sasany amin’izao fotoana. Raha nahomby izany dia tsy nisy fanonganam-panjaka izany teto Madagasikara.
Efa mirona amin’ny vola sy toerana ny toe-tsain’ny Malagasy ka tantara sisa ny ady gasy sy fihavanana. Nohamafisiny fa miankina be dia be amin’izay vokatry ny fihaonana ataon’izy roalahy farany eo ny mety hisian’ny fifidianana na tsia satria ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia miandry izay tohiny vao hamatsy vola izay fifidianana ho avy fa tsy hanary vola amin’izay tetezamita tsizarizary ny sehatra iraisam-pirenena. Ny fahitako azy, hoy ihany izy, dia ho fanafainganana ny famoahana fanapahan-kevitra amin’ny fihaonan’izy roalahy ny famoahana iny datim-pifidianana iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.