Politique

Andriamampianina «Ny FFKM sisa no mety ho vahaolana»


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Very hevitra ny Malagasy sy ny tantsaha amin’izao fivoaran’ny toe-draharaham-pirenana izao noho ny afitsoky ny mpanao politika, hoy Andriamampianina raha tafaresaka tamin’ny gazety ny tenany.

 Natao ihany ny tsy hiteny saingy mampiteny ny moana ny zava-misy, tena miaina ao anaty tsy fanarahan-dalàna tanteraka ny mpanao politika, hoy izy. Porofon’izany ny fitokonan’ny filohan’ny tetezamita eo amin’ny fitondrana, tsy mametra-pialana nefa kandida. Lasa olana vaovao indray io, manampy trotraka ny nametrahany ny filatsahan-kofidiana aorian’ny fe-potoana ara-dalàna. Olana hafa koa ny fitongilanan’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny fitakiana ny fialan’ireo kandidà telo nefa jereny fotsiny ireo kandida anisan’ireo 109 voasazin’ny iraisam-pirenena noho izy ireo nanongam-panjakana.

Mibaribary koa fa manara-drenirano fotsiny ny CES, hoy Atoa Andriamampianina satria raha nangataka iray volana ny FFM mba handaminany ny momba ireo kandidà telo, ary nangataka ny hanemorana ny fifidianana ihany koa i Andry Rajoelina dia io niaraha-nahita io ny vokany. Raha izao no izy dia ny FFKM sisa no mety ho vahaolana amin’ny famahana ity krizy eto Madagasikara ity. Ny tondrozotra izay nolazaina fa hotanterahina aza mantsy tsy ampiharina akory hatramin’izao, kanefa dia misy ny komity natao hanara-maso ny fampiharana azy. Efa nanambara moa ny FFKM fa tsy hanafoana ny tondrozotra saingy mety ho famenon’izany ny fampiharana izay nolazainy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT